Fiaraha-miasa amin'ny zokiolona : misy harena miafina ao amin'ireny zokiolona ireny, koa amporisihana ny tanora mba hahay hiara-hiasa amin'ireny eo am-panorenana ny ho avy. Raha misy olon-kendry hitanao dia hatony vao maraina ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Ny tanora dia afaka manantona ny pretra amin'ny fotoana rehetra. Ny Papa Fransoa dia nilaza matetika fa tokony hiara-dalana mandrakariva amin'ny tanora ny pretra sy ny mpanabe ara-panahy. Mampiahiahy ny ho avin'ny tanora raha tsy eo ny mpanabe ara-panahy. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Ny Pretra sy ny Relijiozy, ny Zoky am-panahy : ireny no solontenan'ny eglizy eo anivon'ny tanora ka manampy azy amin'ny safidim-piainana tiany ho tratra, ary azo lazaina fa manamafy ny fahasahiany hiroso amin'ny dingana lavitra, arofanina manitsy ny dia. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Hoy ny Pape : rehefa nanao "eny" fa hanao ny sitrapon'Andriamanitra dia manana hery handresena ny tahotra eo am-panorenana ny ho avy. Ry tanora malala, aleoko mahita anareo mavitribitrika fa tsy kanosa sy votsavotsa. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco