Araka ny fampianaran'ny fiangonana mahakasika ny fihofanana ho pretra dia samy manana andraikitra ny rehetra amin'ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra. Ny fianakaviana miserasera amin'ny fiainan'ny fiangonana no mamoha ny antso ho pretra. Ny fianankaviana entanin'ny finoana, fanantenana ary ny fitiavana no seminera voalohany hamoazana ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Ilay fanirahana azon'ireo mpianatr'i Jesoa, voalohany, dia fanirahana mitohy : "mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria amin'ny firenena rehetra". Ilaina ny pretra mba hitory sy hampifandray ny fiangonana sy ny tany rehetra, amin'ny alalan'ny Evanjely. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Raha niresaka tamin'ny pretra sy ny relijiozy ny Papa tamin'ny fitsidihana teto Madagasikara dia nanamarika fa maro ny olana eo amin'ny fiainan'ireo pretra sy relijiozy ireo. Ny fotoana rehetra, ny toerana rehetra dia tsy maintsy hitoriana ny vaovao Mahafaly, toa tsy ampy hatrany ny pretra ary misy ny fiangonana any ambanivohitra aza tsy mahazo lamesa mihitsy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.
Ho antsika eto Madagasikara, ankoatra ny fiofanana eny amin'ny Seminera zandriny, maharitra sivy taona ny fiofanana ho Mpandraharaha masina : dingana propedetika iray taona, filozofia telo taona, firotsahana ara-pastoraly "Régence" roa taona ary dingana teolojika telo taona. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco