Ny votoatinny : Manohy sy mameno ny "Mater et Magistra". Asongadiny ny resaka fandriam-pahalemana sy ny hasina maha olona. Resahiny koa ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny daholo be. Ny zava-nisy tamin'izany dia ny fanefena fiadiana nokleary. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny votoatinny : Nampitandrina ny Ansiklika, nanohitra ny fanosihosena ny fahafahan'ny olona hanorina fikambanana ary nantitranteriny ny foto-kevitra momba ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasa. 40 taona no nanoratana ny Rerum Novarum, nisy ny krizy ara-toekarena ny taona 1929. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny votoatinny : Miresaka momba ny mpiasa, indrindra ireo mpiasa amin'ny indostria noho izy ireo difotry ny fahantrana tsy hay leferina ; fitakiana zo : zo hanan-javatra manokana, zon'ny osa, hasin'ny mahantra sy ny adidin'ny manan-katao. Nitaky fomba vaovao sy fandraisana andraikitra ho an'ny Eglizy. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny teny hoe " fampianarana momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy " dia efa nisy hatramin'ny Papa Pie XI, enti-milaza ny "antontan-tsoratra mirakitra ny fampianarana mikasika ireo loha-hevitra manan-danja eo amin'ny lafiny sôsialy (PieXI, Quadragesimo anno, 1931, n°-87). Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco