Ny andry fahatelo mampijoro ny rariny sy ny hitsiny dia "ny hafa" : tsy misy hoy ny Papa François, ny rariny ara-piaraha-monina azo andrandraina raha tsy misy ny firotsahana tsy misy fepetra ho an'ny hafa. Ny andry fahaefatra dia ny tantara, izay ipohiran'ny traikefa rehetra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny andry voalohany mampijoro ny tena atao hoe rariny sy hitsiny dia ny "tena zava-misy" marina. Izany hoe tsy tokony ho lavina fa tena misy tokoa ireo olom-bitsy izay azo lazaina fa manontany ny ory ary ireo olona tsy mitsaha-mitombo isa tsy manana ny hasina maha-olona azy. Ny andry faharoa dia ny fitaovana na ny fahafahana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny fananana vokatry ny asa mivaingana na tsia ; ohatra ny tany, orin'asa tao-zavatra, haikanto, hosodoko, hira dia takiana mba hahasoa olona maro. kendrena hatrany ny mba hanomezana tombony ny "soa iombonana". Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny miaina tsara dia tsy zavatra hafa fa ny mitia an'Andriamanitra amin'ny fo, amin'ny fanahy manontolo. Ny fitiavana dia manalefaka ny filantsika mihoatra ny tokony ho izy. Ilaina ny fahamalinana amin'ny fampiasana ny harena na ny fahazoana azy mba tsy halasa antsika ho handevony.  Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...