Ny fanabeazana amin'ny sekoly katolika dia manana anjara toerana famolavolana ho amin'ny antson'Andrimanitra. Araka ny voalazan'ny Konsily : ny mpampianatra sy ireo manana andraikitra amin'ny fanabeazana dia aoka hiezaka hanampy ny zatovo, hamantatra ny fiantsoan'Andriamanitra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Tsy afaka misaraka amin'ny fianakaviana ny tontolo misy azy, dia ny fiaraha-monina izany. Mampandinika ilay fomba fiteny hoe : " lazao ahy izay mifanerasera aminao dia lazaiko hoe iza ianao". Araka izany dia manana anjara amin'ny famolavolana ny olona ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Matetika dia avy amin'ny fianakaviana misy raiamandreny mpikatroka, mpandray andraikitra ao amin'ny Fiangonana no ipoiran'ny fiantsoan'Andriamanitdra ho amin'ny fandraharahana masina. Napetraka ho ohatra tokoa mantsy ny raiamandreny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Mikasika ny hasarobin'ny fianakaviana dia hoy ny Konsily Vatikana II : "adidin'ny kristiana rehetra tsy an-kanavaka ny mikolokolo ny fiantsoan'Andriamanitra... Mahefa be indrindra amin'izany ny fianakaviana rehefa misy ny finoana sy ny fitiavana an'Andriamanitra.  Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...