Fanabeazana maha-olona no atao fa tsy sanatria fibaikoana biby. Koa raha manao adalana izy dia aoka ho ampahafantarina azy ny hadisoany : ampianaro handinika izy ; atoroy azy ny lala-mahitsy tokony hizorany ; hajao koa anefa ny safidy maha-olona azy satria ao anatin'ny fahafahana no maha hendry ny olombelona fa tsy ao  anatin'ny fangejàna. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Ny mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ombieny ombieny no tsara indrindra atao amin'ny zanaka lahy, fa tsy dia fananarana ara-moraly diso tafahoatra na fandidiana tsotra izao tsy hivoaka ny trano, na fandraràna tsy hiaraka amin'ny zanaky ny manodidina. Mila mitandrina tsara tsara ny ray aman-dreny fa famolavolana tovolahy ho raim-pianakaviana no atao. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Tia mandinika sy miady hevitra ny lehilahy , na mbola kely na efa vory saina dia efa hita fa miaraka amin'ny vondron-jazalahy mitovitovy taona aminy, miara-milalao baolina, na miady hevitra rehefa milalao. Matetika ao anatin'izany no samy te hametraka ny heviny ho marina sy tsy tokony ho lavina avokoa. Manaiky koa anefa izy fa ao anatin'izany vondrona misy azy izany no hametrahany izay lehiben'izy ireo. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Manana ny anjara toerany ny ray ao an-tokantrano. Ny lahikely raha vao teraka dia efa voalahatra ho raim-pianakaviana avokoa. Natao hitondra sy hiatrika ary hanapa-kevitra izy ; hany ka mahatsinjo lavitra eo amin'ny fiainana sy mahita ny ankapoben-javatra hatrany. Matanjaka sy natao hiharitra zavatra maro ny vatany ka hita fa lalao maherihery setra kokoa no tiany. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...