Ny Fitiavana marina : fitiavana an'Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy, ary koa, fitiavana ny hafa tahaka ny tena. Ity farany ity no fampiharana hita maso sy ren'ny fandrenesana ny fitiavana an'Andriamanitra izay tsy hita maso. Ny fitiavana dia natao ho an'ny olombelona tsy misy fanavahana : havana, namana, olona lavitra, ireo olona mpankahala antsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ny fitiavana fotsiny ara-nofo dia endrika iray manalavitra sy manamaloka ny fahazoana ny hevitry ny Fitiavana marina. Misy ny mety alaim-panahy hilaza fa ny lafiny ara-nofo no tena porofo sy fisehoan'ny fitiavana ambony indrindra. Ny fitiavana ilàna tambiny ihany koa manosika ny olona hanimba ny tokony ho fandraisana ny Fitiavana marina. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Ny fiainana dia ny fampifanarahana ny finoana amin'ny atao. Ezahina tsy hisy fifanoherana izay tanterahina sy ny inoana. Mila resena sy alavirina izay rehetra mety ho endrika : fangalarana, fisolokiana, fanambakana, fanararaotana, risoriso, lainga. Ny zavatra ilaina dia ny firindràna tanteraka eo amin'ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Tsy vitsy no mieritreritra fa ny firotsahana amin'ny sehatry ny pôlitika no lalana ahazoana ny voninahitra sy ny fahefana. Ny olona tia voninahitra sy liam-pahefana dia mihidy ho an'ny tenany samirery, fa mampiasa ny olon-kafa mba ho amin'ny tombontsoany. Ny tena ilaina dia ny fahafahana mandray fepetra manoloana ny tranga vaovao atolotry ny fiainana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco