I Masindahy Raymond de Penyafort no ankalazaina ny 07 janoary. Teraka tokony ho tamin'ny 1175 tao amin'ny lapam-pianakaviana tao Vilafranca de Penedès akaikin'i Barcelone i Raymond. Fianakavian'ny mpanjaka tao Aragon sy ny Comte tao Bercelone izy.

Niofana sy ny nianatra tao amin'ny sekolin'ny Katedralin'i Barcelone i Raymond ary vao 20 taona monja dia efa nampianatra ny taranja "réthorique" sy "logique" tao amin'io sekoly io. Ny taona 1210 izy no nandeha nadalina ny "Droit civil" sy ny "Droit canonique" tany Bologne ary dia an-tongotra no nadehanany nankany ka namakivakiany an'i Arles sy Turin. Ny taona 1216, nahazo ny mari-pahaizana maha "docteur" izy ka nijanona tao Bologne nandritra ny telo taona nampianatra ny "Droit canonique". Nahomby tokoa izy tamin'izany ary nomen'ny olona tao fankasitrahana. Nomeny ny pretra tao amin'ny paroasy ny ampahafolon'ny karamany, ary ny ambiny kosa nozarainy tamin'ny mahantra afa-tsy izay nilainy teo amin'ny fiainana.

Rehefa henon'ny eveka tao Barcelone ny laza tsaran'i Raymond dia nantsoiny ary noraisiny ho seminarista tao amin'ny diosezy. Notendreny ho "chanoine" tao amin'ny Katedraly tao Barcelone i Raymond, avy eo lasa "Prévaut du chapitre". Nandray ny laharan'ny "Archidiacre" izy ary notendrena ho "Grand vicaire" sy "Official" ny taona 1220. Ankoatra ny fanomezana lanja lehibe ny fankalazana ny Fiakaran'ny Tompo dia niasa mafy izy tamin'ny fikarakarana ny mahantra ka nantsoiny hoe "créanciers" ireo olona ireo. Ny taona 1222, nifindra tany amin'ny fikambanan'ny Dominicains izy ary tany no naoratany ilay boky hoe "Summa de Poenitentiae" tamin'ny fotoana nanaovany fibebahana manokana tamin'ny hadisoana vitany fony izy pretra diosezanina.

I Raymond no nisava làlana ny solontenan'ny Fiketrahana Masina tamin'ny irak anataon'io solontena io tao Espagne, ary nandray anjara tamin'izany iraka izany izy. Ny 28 novambra 1229 izy no notendren'ny Papa Grégoire IX hitory teny tany amin'ny faritr'i Arles sy Narbonne nandritra ny ady ho an'ny Tany Masina notarihan'i Jacques I avy ao Aragon hanala ireo Maures avy any Majorque. Nantsoin'ny Papa Grégoire IX ho any amin'ny Fiketrahana Masina izy avy eo ho mpitantana azy ara-panahy sy hiandraikitra ny Fiangonana tao aminy, ary handinika ihany koa ireo raharaham-pitsarana sy ny lalàna ary ireo didy histivolana. Tamin'izany no namoahana ilay horonan-taratasy na ny "bulle" hoe: "Rex pacifus" ny 05 septambra 1234. Trotraky ny havizanana sy ny aretiny izy ka niverina tany Espagne ny volana avrily 1236. Marihana efa notendrena ho Arsevekan'i Taragone izy ny taona 1234, fa nolaviny io.

Nandray anjara mavitrika tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly teo amin'ireo Jody sy Silamo ihany koa i Raymond. Niady tamin'ny fampianaran-diso niely tao Catalogne tao Espagne izy. Nanorina sekoly fanofanana misonera, hianarana ny fiteny tatsinanana izy, toy ny sekoly fianarana teny arabo tao Tunis ny taona 1275. Ary ny sekoly fianarana ny teny hebrio tao Murcie 1266. Rehefa tsy nanana andraikitra lehibe tao amin'ny fikambanan'ny Dominicains izy dia nihomana ny ho tsara fahafatesana ka noraisiny an-kafaliana ny aretina farany nahazo azy. Teo anatrehan'ireo mpanjakan'i Aragon sy Castill izy no nodimandry ny 06 janoary 1275, andro fankalazana ny Epifania.

Ny taona 1279, tamin'ny Konsily tao Taragone dia efa nangataka tamin'ny Papa Nicolas IV ireo eveka mba hanambara ny maha olomasina an'i Raymond noho ny fhamasinany tamin'ny fanompoana ny rariny. Ny Papa Paul III no nanambara azy ho olontsambatra ny taona 1542. Ary ny Papa Clément VIII no nandratra azy ho eo amin'ny laharan'ny olomasina ny 29 avrily 1601.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...