19 desambra — Ny papa Urbain V no papa faharoanjato, nitantana ny Fiangonana nanomboka ny taona 1362 hatramin'ny 1370. Ny 10 marsa 1870 ny papa Pie IX no nanao sonia ny didy hitsivolana hanandratana azy ho olontsambatra. Teraka tamin'ny taona 1310 tao amin'ny lapan'i Grizac izy. Guillaume de Grimoard no tena anarany.

Zanak'i Guillaume II de Grimoard sy i Amphélise de Montferrand izy, ary rehefa nahavita ny fianarany tao Montpellier sy Toulouse i Guillaume de Grimoard, dia niditra tao amin'ny trano fitokana-monina bénédictin Saint-Sauveur tao Chirac, izay niankina tamin'ny trano Saint-Victor tao Marseille. Nampiavaka azy ny fanajana manokana an'i Masina Maria sy ny fanajana fitsipika ary ny fitiavana fianarana. Rehefa nohamasinina sy nahavita ny fianarany izy dia nampianatra tany Montpellier, Tolouse, Paris, Avignon. Taona vitsy tao aorian'izay, rehefa Vicaire général tao Clermont sy Uzès izy, dia nitantana ny trano Saint-Germain tao Auxerre, avy eo ny Saint-Victor tao Marseille. Tao aorian'izay dia nalefan'ny papa hisolotena azy tany Naples izy. Rehefa maty ny papa dia izy no nofidian'ireo kardinaly handimby azy ny 28 septambra 1362, ary tamin'io fotoana io no nakany anarana Urbain V, satria nambarany fa ireo papa rehetra nitondra io anarana io dia fanta-daza tamin'ny fahamasinana. Ny papa Urbain V no nanampy ny satro-boninahitra fahatelo eo amin'ny tiare, tsy noho ny fieboeboana akory fa ho famantarana ireo fanjakana telo entin'ny papa, dia ny vahoakan'Andriamanitra, ny eveka ary ny fanjakana romana. Tao avignon izy no nohamasinina ho eveka ny 06 nôvambra tamin'io taona io.

Nahery fo tamin'ny fanatsarana sy fanavaozana ny fiainan'ny Fiangonana ny papa Urbain V, ary ny fanapariahana ny finoana sy ny fampitoniana ireo disadisa. Teo ihany koa ny famerenana ny firaisana tamini'reo grika sy ny fanomezan-danja ny fandalinana sy ny fianarana ary ny famerenana ny Fiketrahana Masina ho any Roma. Fandresena tokoa ny fiverenany tao Roma, nefa telo taona ihany izy no tao dia niverina tany Avignon indray, ary nodimandry tao ny 19 desambra 1370. Niangavy izy tamin'ny fotoana hahafatesany mba ho afaka hiodidina eo amin'ny fandriany ny kristianina. Hoy izy mantsy tamin'izay : "Mba ho afaka hahita ny fomba ahafatesan'ny papa ny vahoaka". Marihana fa tsy nosarahan'i Urbain V tamin'ny maha papa azy mihitsy ny maha mpitoka-monina azy dia ny fifadian-kanina, ny fahamasinana ary ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...