17 desambra — Ny Lazare resahana amin'ity andro anio ity dia ilay anadahin'i Marthe sy i Marie tao Béthanie, naman'i Jesoa ary natsangany ho velona. Niharitra ny fanenjehana noho ny finoana an'i Kristy izy io. Voalaza fa folo taona tao aorian'ny niakaran'i Jesoa dia natsipin'ny Jody tao anaty lakana tsy misy fivoy izy telo miandahy ireo, niaraka tamin'ny kristianina hafa.

Noheverin'ireo Jody fa ho faty any anaty rano izy ireo. Tsy naninona anefa izy ireo satria nentin'ny onja nanatona morona ny lakana, izay ninoan'izy ireo fa ny tanan'Ilay nitondra ny sambofiaran'i Noé ihany koa no nitantana azy. Tonga teo amoron'i Provence izy ireo, noraisin'ny tao Marseille, ary nohobian'izy ireo ho eveka i Lazare. Izy izany no eveka voalohany tao Marseille. Naoriny tao ny finoana ary niasa tao nandritra ny telopolo tao izy, nitory ny Vaovao Mahafaly. Natahotra ny fandrosoan'ny fitoriana ny Evanjely ireo tsy mpino, ka nisambotra an'i Lazare sy nitondra azy hotsaraina. Nasaina nanolotra sorona tamin'ny sampy izy, nefa tsy nanaiky. Novaliany hoe : "Mpanompon'i Jesoa Kristy, izay nanangana ahy ho velona aho, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izy, miaraka amin'ny Rainy nahary izao rehetra izao". Noratrain'izy ireo tamin'ny fihogo vy ny vatany ary natsipiny teo an-tsorony ny fonjam-by mahamay. Nampatoriana teo ambony karakara vy mahamay izy, ary notrobarana tamin'ny zana-tsipika ny tratrany. Avy eo notapahana ny ny lohany. Marihana fa i Lazare no olomasina mpiaro ny tananan'i Marseille, Autun, Avalon sy Carcassone.

Masindahy Jean de Matha

Teraka ny 23 jona 1160, tao Faucon, Provence i Masindahy Jean de Matha. Tompomenakely espagnol i Euphème de Matha rainy, ka nahazo tany tao Faucon avy amin'ny comte de Barcelone. Mba ahafahan'i Jean de Matha mahazo fampianarana sy fanabeazana mendrika ny laharany eo amin'ny fiaraha-monina dia nandeha tany Marseille ny fianakaviany, ka nampianarin'ny reniny hitia ireo mahatra sy mijaly izy, ary nentiny ihany koa namangy ireo marary tany amin'ny trano fitsabona sy ny fonja. Nanohy fianarana tany Aix-en-Provence, avy eo tany Paris, izay nahazoany ny Doctorat en Théologie, i Jean de Matha. Noho ny toetrany sy ny fitiavam-bavaka nananany, nampirisihan'ny eveka tao Paris, hanao pretra i Jean de Matha. Rehefa nohamasinina ho pretra izy, dia ny 28 jona 1193 no nanao ny Sorona Masina voalohany, ka nandritra ny fankamasinana no nahitany olona manao akanjo fotsy, nisy hazofijaliana mena sy manga teo amin'ny tratrany, ary mametra-tanana amin'ny mpifatotra roa : ny iray fotsy hoditra ary ny iray mainty hoditra. Ny ampitson'io dia nisintaka tany anaty ala izy mba hivavaka niaraka tamin'ny mpanirery iray, ary samy nahita serfa nitondra hazofijaliana, nisotro rano teo amin'ny loharano teo akaikiny, izy ireo. Noresahan'i Jean de Matha tamin'ny papa ireo fahitana ireo, ka nahazo fahitana ihany koa io papa io, toa ilay hitan'i Jean de Matha nandritra ny Sorona Masina. Noheverin'izy ireo àry, fa antso hanorina fikambanana, izay mifototra amin'ny fanafahana ireo babon'ny Sarrasins tany Afrika, io fahitana io.

Ny papa Innocent III no nankato ny fikambanana naoriny, dia ny  Ordre de la Très Sainte Trinité pour la Rédemption des Captifs, ny 17 desambra 1198. Tao Cerfroid ny trano voalohany, avy eo, nisy ihany koa tao Planels sy Bourg-la-Reine. Maro ireo kristianina babo, nafahany tany Maroc, Algérie sy Tunisie. Rehefa maty ilay mpanirery, nantsoina hoe Félix de Valois, naman'i Jean de Matha dia nankany Roma izy, ary tany izy no nodimandry ny 17 desambra 1213. Nalevina ny 21 desambra 1213 tao amin'ny fiangonana San Tommaso in Formis, i Masindahy Jean de Matha, avy eo nafindra tany Espagne. Taty aorina, ny taona 1674 dia nisy ihany koa ampahany amin'ny reliques, nafindra tany amin'ny fiangonana Trinitaire, na ilay antsoina hoe Église des Trinitaires. Ny taona 1665, i P. Jean de la Conception no nanao fangatahana mba hanandratana an'i Jean de Matha ho olomasina. Nohamarinin'ny sampan-draharaha miandraikitra ny fanadihadiana ny fanandratana ho olomasina izany ny 14 aogostria 1666, ary nankatoavin'ny papa Alexandre VII ny 21 ôktôbra. Ny 27 janoary 1671 dia nisy ny didy hitsivolana navoakan'ny papa Innocent XI, nampidirana ny anaran'i Jean de Matha tao amin'ny Martyrologie romaine, ary ny 14 marsa 1694 no tena niparitaka nanerana ny Fiangonana manontolo ny fankalazana an'i Masindahy Jean de Matha.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...