10 desambra — Avy any Trawsfynydd, Pays de Galles i John Roberts. Ny finoana no nahatonga azy ho akaiky kokoa ny Fiangonana romanina noho ny Fiangonana Anglikana, izany no nahatonga azy ho mpianatra lalana tao Oxford, ary nanararaotra ny fandalovany tao Paris izy nankao amin'ny fiangonana Notre-Dame de Paris mba ho raisina ao amin'ny Fiangonana Katôlika ny taona 1598.

Tao aorian'izay dia niditra tao amin'ny fikambanana Bénédictin tao Compostelle izy, ary nohamasinina ho pretra. Niverina tany Angleterre i John Roberts ny taona 1602, tao amin'ny trano fitokana-monina tao Downside, ary nandritra ny pesta tao Londres ny taona 1603 dia nanao asa fiantrana maro izy nanavotana izao olona nararin'izany valan'aretina izany. Efa imbetsaka i John Roberts no nampidirina am-ponja. Ny taona 1610, nankalaza ny Sorona Masina izy tamin'izay, no nosamborina, satria nandà ny maha filohan'ny Fiangonana ny mpanjaka Jacques I. Nogadraina tao Londres àry izy, nahantona ary avy eo novonoina niaraka tamin'ireo martiry hafa, tao Tyburn no nitrangan'izany. Anisan'ireo martiry efapolo tao Angleterre sy Pays de Galles i John Roberts ary nasandratra ho olomasina ny taona 1970 izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...