04 desambra — Jean Mansour no anaran'i Jean Damascène, niaina tamin'ny taonjato fahafito sy fahavalo izy io. Fianakaviana andriana sady kristianina no nipoirany, ary tany Damas, Syrie izy no teraka, ka izay no nahatonga ny fanampin'anarany hoe Damascène.

Mpamory hetra tao amin'ny lapam-panjakan'ny califes tao Damas ny rainy, ary mpamory hetra teo anivon'ny kristianina. Ny hoe calife amin'ny arabo dia printsy ara-panjakana sy ara-pivavahana. Tsy mbola nankasitraka loatra ny fisian'ny kristianina ny calife tamin'izany. Na dia nadimby ny asan-drainy aza i Jean dia tsy naharitra ela tamin'izany asany izany satria tsy nahafa-po azy ny fitondrana arabo. Teo amin'ny fahadimampolo taonany izy dia nandao io asany io, ary nilatsaka ho mpitoka-monina tany Saint-Sabas tao Palestine. Tany izy no nandalina sy nianatra momba ny teôlôjia, tao no nifankahalalany tamin'ny patriarka tao Jerosalema, ary io patriarka io no nanamasina azy ho pretra tamin'ny taona 726. Nandeha nanampy ireo pretra tany Jerosalema izy avy eo, ary maro ireo nitolagaga tamin'ny fitorian-teny nataony.

Fotoana nampafana ny ady hevitra momba ny sary masina tamin'izany fotoana izany, maro ireo nanenjika noho ny fanajana ny sary masina, satria noheverin'izy ireo fa fanompoan-tsampy izany. Anisan'ny nanenjika tamin'izany, ohatra, ny amperora Léon III tao Constantinople. Nanoratra boky na toriteny telo ho fiarovana ny sary masina i Jean Damascène, izay namintina ny teôlôjia grika sy nanizingizina ny maha zava-dehibe ny fanajana ny sary masina, dia ny foto-pinoana izay ambarany. Tezitra ny amperora ka nanoratra taratasy sandoka tamin'ny anaran'i Jean Damascène, ary nanoratra tany amin'ny calife tao Jerosalema izy nilaza ny fikasany hanongana an'i Jean Damascène noho izany taratasy izany. Tsy nahomby anefa io tetik'adin'ny amperora io. Nanoratra boky hafa ihany koa i Jean Damascène ho famelabelarana ny momba ny finoana ortôdôksa, amin'ny latina dia hoe "De fide orthodoxa". Nisy ihany koa amboara momba ny fahalalana amin'ny teny frantsay hoe "La source de la connaissance" izay nisy fiantraikany be dia be tany amin'ny tany tatsinanana sy ny tany tandrefana.

Nampalaza an'i Jean Damascène ihany koa ny toriteny momba an'i Masina Maria, izay nohajainy fatratara. Nambarany amin'izany ny hoe, na mpanota aza ny zanak'olombelona dia tena sitrak'Andriamanitra ny hananany Reny tsy voakasi-pahotana. Ny sangan'asan'i Jean Damascène, dia matetika nampiasain'i Thomas d'Aquin rehefa misy fikarohana na fanazavana tiany hatao. Maro ireo antsa sy hira kanto, noforonin'i Jean Damascène, izay mbola misy ankehitriny ary ampiasaina any amin'ny Fiangonana byzantine, eo koa ireo tononkalo izay nampalaza azy. Ny fandinihana sy ny fibanjinana ny misterin'ny fahatongavan'i Kristy ho nofo no nahaizan'i Jean Damascène ny momba ny sokajim-pinoana maro samihafa. Marihana fa tao amin'ny trano fitokana-monina Saint-Sabas izy no nodimandry, ny taona 779, ary ny papa Léon XIII no nanandratra azy ho eo amin'ny laharan'ny Mpampianatry ny Fiangonana ny taona 1890.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...