30 ôktôbra — Bienvenue Bojani no anaran'ity olontsambatra ity. Teraka ny taona 1255 tao Savogna di Cividale, Frioul tao Italie i Bienvenue. Mbola kely izy dia efa nanana fitiavana sy fanajana manokana an'i Masina Maria Virjiny.

Naniry ny hianatra ny fijalian'i Kristy izy ka niditra ho tertaire dominicaine, izany hoe, tsy mitoetra any amin'ny trano fitokana-monina akory izy fa miaina ny fitsipi-piainana maha dominikanina, antsoina amin'ny anarana hoe "Sœurs de la Pénitence de saint Dominique". Nanamasina ny tenany i Bienvenue tamin'izany fotoana izany. Noho io faniriany te hijaly mitovy amin'i Kristy io dia nampitomboiny ny fomba famolahan-tena sy ny fampijalian-tena niainany. Nietra "cilice" izay nofatorany mafy tamin'ny valahany izy ka nilentika tsikelikely tamin'ny nofony izany, nasiany vinaingitra ny masony na dia teo aza ny fameperan'ny mpitantana am-panahy azy tamin'izany fampijalian-tena mafy loatra nataony izany.

Narary mafy i Bienvenue indray andro, ka nandeha nanao fivahinianana masina tany amin'ny fasan'i Masindahy Dominique izy, ary rehefa niverina avy any izy dia sitrana soa aman-tsara. Fa rehefa nitombo ny taonany dia niverenan'ny aretina indray ka ny taona 1292 izy no nodimandry. Maro ireo kristianina nangataka ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny vavaka nataon'i Bienvenue, ka maro ireo nahazo fahagagana tamin'izany. Ny papa Clément XII no nanandratra azy ho olontsambatra ny taona 1763.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...