16 ôktôbra — I Edwige de Silésie dia teraka tao Andechs tao Bavière ny 1174. I Edwige no anarany fa ny tany Pologne no niantso azy hoe Jadwiga Śląska. Zanak'i Berthold III, comte tao Andechs sady duc tao Méranie izy. I Agnès de Wettin no anaran'ny renin'i Edwige.

Ny rahavavin'i Edwige iray dia nanambady an'i André II, mpanjaka tao Hongrie ary ireo no ray aman-drenin'i Elisabeth de Turenge. Ny rahavavin'i Edwige iray kosa dia nanambady an'i Philippe Auguste de France ny taona 1196 fa efa-taona monja ireo dia nisaraka satria iray ra. Ny rahavaviny fahatelo dia nanao relijiozy. Nobeazina tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictines tao Kitzingen i Edwige. Teo amin'ny fahavalo ambin'ny folo taonany izy no nanambady an'i Henri I le Barbu, duc de Silésie ary lasa duc tao Cracovie io tamin'ny taona 1232. Niteraka fito mianadahy izy ireo ary maty tamin'ny ady tao Legnica ny taona 1241 ny iray tamin'ireo zanany ireo. Tsy iza moa izay fa i Henri II. Nobeazin'ny Edwige sy Henri tamin'ny fitiavam-bavaka tokoa ireo zanany fito mianadahy.

Rehefa maty ny vadin'i Edwige ny taona 1238 dia lasa nitoka-monina tany Trzebnica izy. Izy no nanorina io trano fitokana-monina io ny taona 1202, ary ny zanany vavy iray, ilay antsoina hoe Gertrude dia relijiozy tao amin'izany trano fitokana-monina izany. Marihana fa maro ny trano fitokana-monina naorin'i Edwige. Tena mendrika alain-tahaka ny fiainany satria nanampy ireo tena sahirana sy mila vonjy izy. Mandeha an-tongotra tsy mikiraro na kapa, na ririnina na fahavaratra, mizara ny fananany ho an'ny Fiangonana sy ny mahantra. Nodimandry tao Trzebnica ny 14 ôktôbra 1243 i Edwige, ary nalevina tao ihany. Ny reliques dia misy voatahiry ao amin'ny trano fitokana-monina ao Andechs. Ny taona 1267 izy no nasandratry ny papa Clément IV ho olomasina. Izy no olomasina mpiaro an'i Berlin, Silésie, Wrocław na Breslau teo aloha, sy Trzebnica. Toa izany ihany koa ny disoezin'i Görlitz, Andechs ary i Cracovie.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...