Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an’izay iaviany! Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony ka alentika any anatin’ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza. Koa mitandrema ianareo. Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: ‘Mifona aho’, dia mamelà azy." Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo: "Ampitomboy ny finoanay." Fa hoy ny Tompo: "Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’, dia hanaiky anareo izy."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...