Tamin’izany andro izany, nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?" Ary namaly izy ka nanao hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao."

Dia hoy i Jesoa taminy: "Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao." Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Iza àry no namako?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa itý levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: "Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho." Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?" Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: "Ilay niantra azy." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mandehana àry ka manaova toy izany koa."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...