Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy; ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina. Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany, dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...