Alarobia 23 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19

[audio src="/images/sounds/evj-20221123.mp3" background="#0099ffff"]

Fantatr'i Jesoa tsara ny fanesona sy ny fanenjehana mety hahazo ireo mpianany noho ny fitoriana ny Anarany. Tsy voatery ny rehetra mantsy no hanaiky ny Evanjely torina.

Aoka àry tsy horaisintsika ho faharesena na fahoriana izay endrim-panenjehana mahazo antsika fa tokony ho hafaliana aza satria izay no mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay. Mampianatra antsika àry i Jesoa fa mila finoana sy faharetana ary fiaretana ny manara-dia Azy. I Kristy izay arahantsika àry, nenjehina sy nampijaliana, mainka ve fa isika izay tsinontsinona akory. Ireo fotoan-tsarotra izay diavintsika àry no asehon'i Jesoa, indrindra ny herin’ny fanahiny ho an’izay matoky Azy. Eo indrindra àry no tokony hivavaka sy hiombom-piainana bebe kokoa Aminy. Mila maharitra àry araka izany, raha te ho mpianatr'i Kristy, na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainana, indrindra ao anatin’ny tena sarotra.

Ny fijaliana sy ny fahoriana iaretantsika noho i Jesoa, dia hakambantsika amin’ny fijaliany ihany koa. Resiny mantsy izany tamin'izy nitsangan-ko velona. Hoy i Masindahy Paoly izay mantsy hoe, rehefa miara-maty amin'i Kristy isika dia hiara-belona Aminy koa.

Tompo ô, aoka ny fahoriana izay iaretanay mpianatrao mba hanampy anay tsy hisaraka Aminao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...