Noho ny maro efa nanoratra ny tantaran’ny zavatra inoana tokoa amintsika sy noraisintsika tamin’ny vavolombelona sady nahita maso no mpitory teny hatramin’ny voalohany, dia nataoko fa mety koa, rehefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teôfily manan-kaja, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.

Indray andro i Jesoa, dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: "Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana". Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...