Tamin'izany andro izany, nony lasa izy ireo Majy, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba ho tanteraka ny tenin'ny Tompo voalazan'ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. Ary nony efa hitan'i Heroda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin'ny tany manodidina, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin'ny Majy. Dia tanteraka tamin'izay ny tenin'i Jeremia mpaminany manao hoe: Nisy feo re tao Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy: Rasely nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...