Article Index

Fampahalalana ny Radio Don Bosco

Radio mahaleo tena, mpanabe, manaraka ny foto-pinoana Katôlika, ary tsy manana tanjona pôlitika na filàm-bola, ny Radio Don Bosco. Ny filamatra kristianina sy ny fampianaran'ny Fiangonana no entiny manampy ny olona hivoatra sy hihalavorary amin'ny maha-olona sy maha-kristianina azy, ary amin'ny fomba manokana, ny tanoran'i Madagasikara.

Radio Tsy manavaka na iza na iza ny Radio Don Bosco. Miteny ho an'ny olon-drehetra, indrindra ho an'ny tanora satria tanora rahateo koa no manao azy. Na inona na inona kanto sy mahasoa eto Madagasikara dia aelin'i Radio Don Bosco.

Feo miara-dàlana amin'ny olon-drehetra ny Radio Don Bosco:

  • na ao an-tokantrano na an-dàlambe;
  • maraina hatramin'ny hariva; mandritra ny alina ihany koa;
  • an-tanàn-dehibe sy ny manodidina azy,
  • any amin'ny tanàna sy vohitra mitsitokotoko eny ambanivohitra;
  • feo tsy mandao fa eo anila mandrakariva, indrindra ho an'ireo izay manirery, marary, saraka lavitra ny olon-tiany.

Radio mahatehotia manolotra ho anao:

  • mozika, tantara, kolotsaina,
  • vaovao, fialamboly, fanatanjahantena,
  • finoana, vavaka,
  • fihaonana, fifampizarana

mitondra ny feon'ny:

  • vahoaka,
  • ny tanora,
  • ny mahantra sy ny madinika.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...