Ny zava-boahary, tontolo iainana dia midika hoe : fanomezan'Andriamanitra ankininy amin'ny olombelona ; asan-tanan'Andriamanitra ; voninahitr'Andriamanitra, itarafana ny hatsarany ; soa ho an'ny olombelona ; adidy sy andraikitry ny olombelona indrindra ny fikarakarana sy ny fampivoarana azy ; voalahatra ho amin'ny famonjena ; manampy ny olona amin'ny litorjia, miray feo aminy midera ny Mpahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Raha ity lohahevitra ity no raisina dia azo ambara fa maneho ny maha izy ny kristianina tsirairay avy ny fanajana ny tontolo iainana. Izany hoe: mamaritra ny toe-piainana sy ny adidy tokony atao mba ho voninahitr’Andriamanitra voalohany indrindra ary ny faharoa dia mba ho fiadanana ho antsika olombelona. Ny hoe kristianina dia tsy hoe mankatoa an’A/tra fotsiny, fa manaja ihany koa ireo noahariany. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Eo anivon’izao tontolo izao no naharian’Andriamanitra antsika olombelona. Jen 1, “Noharian’Andriamanitra izao rehetra izao (Rano, tany, rivotra, ny hazavana sns …) izay Izy vao nahary ny olombelona. Noho izany tsy misaraka ary miankina tanteraka amin’ny tontolo manodidina antsika ny fahavelomana sy ny fivoarana ary ny fitombohantsika olombrelona... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Lafiny roa no azo hamaritana ny atao hoe: tontolo iainana. Ny voalohany dia ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra hivelomantsika olombelona (iankinan’ny aina) tany, rivotra, rano, afo sns. Ny faharoa dia ireo nohajarintsika olombelona : taozavatra, asa tanana, lalana sns… natao ireny mba hanamorana sy hampirindra; hanatsarana sy hiarovana ny fiainana (aina). Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Isika olombelona dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Izany hoe: manohy ny asa fahariana, hanome aina sy hikolokolo an’izay nohariny. Fahefana sy tso-drano nomen’Andriamanitra antsika olombelona io, hampirindra sy hampilamina ny misy manontolo. Izany hoe: tsy hanova na hanakorotana izay nataon’Andriamanitra. Matoa tsizarizary ny fiainantsika dia satria simba ilay tontolo iainana... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Ny tsy fahatahorana an’Andriamanitra no mahatonga ny maro hanaonao foana, tsy handinika izay tokony hatao, tsy hatsapa izay mety hiseho sns… “Heloka sy hadisoana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanimbana ny tontolo iainana satria famonoana ankolaka sy tsikelikeny aina izay fanomezan’Andriamanitra”. Kojakojao ny tenanao fa ianao no tontolo iainana voalohany..... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Hajao sy kajio ny tontolo manodidina anao. “hevero ho toy ny tenanao ihany no iharan’izay ataonao, raha tsara dia ianao ihany no hisitraka izany, raha ratsy dia ianao ihany no ho voan’izany”. Izay tsy tianao atao amin’ny tenanao aza atao amin’ny hafa. Ohatra: ny fako ao an-trano sy eny amin’ny lalana; maloto amin’ny trano fidiovana, atoroy ny fomba tokony hatao fa tsy miteny na mandrara fotsiny. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Ao amin'ny boky Jenezy no mamaritra hoe avy aiza ny olombelona sy ny zava-boahary. Ireo voahary noforin'Andriamanitra mialoha antsika olombelona dia fepetra miantoka ny havelomantsika, hitomboantsika sy hivoarana. Mifameno amin'ny fiainan'ny olombelona ny zava-boahary ary ananantsika adidy no miaro ny tontolo iainana mba hahamora ny fifamenoana. Mpiara-miasa amin'Andriamanitra isika hikajy ny voahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Maro an'isa ny Kristiana, mpivavaka na koa hoe mino, kanefa miharatsy ny fiainana, mihasimba ny tontolo iainana. Mahafoana tsikelikely ireo zava-boahary, mikorontana tsy mandeha araka ny vanim-potoana intsony ny teotr'andro. Ny tena loza dia samy manampatra ny fahefany amin'ny zava-boahary isika olombelona hany ka ts voahaja intsony ny lalàna ara-boajanahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Mt 5, 13-14 : "Ianareo no fanasin'ny tany, Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao". Miantso ny mpianany i Jesoa mba ho modely, mba hampianatra sy haneho izay sitrak'Andriamanitra momba izao tontolo izao. Ny kristiana tany am-pindohana dia miezaka miala ao anatin'ny haratsiana, natao Batemy, mandray fampianarana avy amin'ny Apôstôly, mamonjy fotoam-bavaka sy ny famakiana ny mofo... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Araka ny fampianaran'ny Eglizy, ny kristiana dia olona manana ny hasina sy ny fahamendrehany ary ny fahafahany tanteraka. Hoy ny konsily vatikana II " ilay endrik'Andriamanitra araka ny nahariana azy no fototry ny fahafahana sy fahamendrehana ho an'ny olombelona tsirairay. Tsy misaraka amin'Andriamanitra ny fiainantsika olombelona, tonga teto an-tany isika dia noho Izy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Hoy ny Papa François, ankalazaina anie Andriamanitra, § 63 : "ny kristiana indrindra indrindra no tokony hatsapa fa isan'ny fiainana ny finoany ny fanatanterahany ny andraikitra manandrify azy manoloana ny zava-boahary ary manoloana an' Andriamanitra Mpahary azy". § 69 :"isika kristiana no tokony hanaja sy hatsapa ny hasin'ireo zava-manan'aina hafa... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco