Tsy tahaka ny firenen-kafa i Israely fa ny Tompo no Mpanjakany noho izany dia very hasina izy raha manaraka ny fomba amam-panaon'ny firenen-kafa satria mitsipaka ilay tena mpanjakany. Te hitovy amin'ny firenena hafa rehetra i Israely ka nangataka mpanjaka hafa, tsy nahay nihonona tamin'ny anjara nomen'Andriamanitra izy ireo ka tojo olana hatrany. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Mampivoatra ny fari-piainana sy ny sôsialy ary ny ara-toekarena ny asa. Ny asa dia mampatsara ny fivelomana saingy miteraka zavatra hafa satria voakasik'ota : herisetra, fialonana, tsy fahamarinana, fifankahalana, ady... Misy ireo sakana mametra ny olona tsy tena hivoatra amin'ny fivelomana : hakamoana, fialonana... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Tsy mety ny mihary ka manambaka ny hafa satria hoy ny ohabolana hoe " aleo kely ombam-pahamarinana toy izay harembe omban'ny tsy fahamarinana". Kianin'Andriamanitra mafy ary tena zava-maharikoriko eo anatrehany ny saha manambaka ny hafa izany hoe manangon-karena amin'ny fanambakana ny hafa. Ny fitiavana te-hanankarena tampoka no mahatoonga ny halatra... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Tonga nofo ny Teny mba hahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra. Ny dingana fahadimy amin'ny filan'ny olona dia ny fahatanterahan'ny faniriany, ny fananana ny fiainana lavorary ; tsy ho tratra izany raha tsy ao amin'Andriamanitra sy atolotr'Andriamanitra. Ny fivoaram-piainana tena izy dia ny fahalalana an'ilay Teny Tonga nofo sy ny fiombonana aminy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
I Jesoa Kristy dia olon'ny asa ; rehefa tonga olombelona Izy dia ampianariny amin'ny toriteniny ny tokony handalàna ny asa, satria tonga mitovy amintsika amin'ny zavatra rehetra Izy dia nanokana ny ampahany betsaka tamin'ny fiainany teo an-tany hanaovana asa tanana, teo amin'ny latabatra fandrafetany, tao amin'ny toeram-piasan'i Josefa. Melohan'i Jesoa ny toetra mandevin-talenta. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany. Ny vakiteny voaloha sy ny faharoa amin'ity alahady ity dia mitantara ny fiainam-pinoana nananan'i Abrahama sy Sarah vadiny ary ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'izy ireo, mpivady efa samy antitra anefa dia nino ny Tenin'ny Tompo ka dia lasa fianakaviambe. Raha ny fiainam-pianakavina no tomombana tsara dia handroso ny fiaraha-monina. Ny Evanjely dia maneho ny fanarahan'i Md Joseph sy Masina Maria ny lalàna momba ny finoana sy ny lalam-panjakàna, ary io no endriky ny Fianakaviana Masina...
Tonga nofo ny teny mba ho ohatra ho antsika fa môdely amin'ny lafiny rehetra ; ny sehatry ny asa no resahina amin'ity katesizy ity satria ny fanaovana ny asa ampahamarinana sy ampamendrehana dia tsy antoky ny fivoarana fotsiny fa antoky ny fahamasinana ihany koa. Mila mitandrina ny zava-boahary isika olombelona mba hitondra soa sy harena ho an'ny rehetra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Zavatra roa samy hafa ny "Mazistera" sy ny "teôlôjia" anefa mifameno : iry voalohany fampianarana avoakan'ny Papa sy ny Eveka mikasika ny fitondrana ny vahoakan'Andriamanitra ; ny teôlôjia kosa dia fandalinana sy fianarana momba an'Andriamanitra sy ny finoana, fanadihadiana mifototra amin'ny fiekem-pinoana. Ny Eveka tsirairay no manana ny andraikitra maha mety ny hanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana amin'ny alalan'ny Papa Ray Masina mba hifanaraka amin'ny fomban-tany iray. Ny fampianaran'ny Fiangonana dia mitandro hatrany ny fiarovana ny aina...
Ny olombelona rehetra no mpihavana satria tonga mpiray tampoho noho ny zanak'Andriamanitra. Tsy maintsy miala amin'ny toe-tsaina samy maka ho azy ary mandray ny olona rehetra ho rahalahy ka tsy hanavakavaka na hanilika na iza naiza raha tena mivelona ny misterin'ny fahatongavana ho Nofo ny olona tsirairay. Miantso antsika hiverina amin'ny tany sy hikarakara azy hamokatra ny misterin'ny fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny olona velona dia tsy maintsy miasa, maro ny fampianaran'ny fiangonana mikasika ny maha zava-dehibe ny asa. Ny mpiandry ondry olona voalohany nahita ny zanak'Andriamanitra teraka dia olona nanana ny asany amin'ny maha mpiandry ondry azy ; toraka izany koa ireo majy olona mpandinika ny kintana sady nanana fanatitra saro-bidy izany hoe tsy olon'olom-poana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny anton'ny fahatongavana ho nofo dia ho fanatontosana ny asa famonjena. Araka ny fiekem-pinoana Nicée-Constantinople hoy isika hoe "... ary isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary naka nofo tamin'i Maria Virijiny Izy noho ny herin'ny Fanahy Masina ka tonga olombelona". Raha tena mino an'i Jesoa tonga olombelona dia miezaha ho mendrika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Fomba maro no entin'ny raiamandreny mampita mistery lehibe amin'ny zanany raha miresaka ankohonana isika : satria Andriamanitra tonga zazakely dia atao fetin'ny ankizy ka fanomezana kilalao no tandindon'izany, anefa dia takona ilay tena fototry ny famonjena sy ny tantara noho ireny. Manana adidy ny raiamandreny hitondra fanazavana sy fampahafantarana ny tena voalazana ara-Tsoratra Masina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco