Isan'ny nampiavaka an'i Md Joany Bosco ny fikarakarana ny tanora amin'ny fanabeazana tamin'ny alalan'ny lalao, finoana ary vavaka. Ny finoana katôlika dia manao zava-dehibe ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, ny fianarana mozika sy ny lalao isan-karazana, tanjona hitaizana ny vatana sy hikolokoloana ny saina.  ireo dia fototra hametrahana ny fitsipi-piainana entina miahy ny fanindriana ny fo manoloana ny fahatezerana...

Ny fahatezerana dia isan'ny fahotana fito fototry ny hafa izay voasoroka amin'ny alalan'ny lalao sy vavaka. Ny tia vavaka dia mora mahafehy ny lalao ary tonga amin'ny fahaizana mifehy tena, ary mahakolokolo ny fifandraisana amin'ny olona hafa. Hoy I Md Stanislas scholastique dia tohizako ny lalao izay efa natomboko fa tsy hanao zavatra hafa aho ; ny lalao ihany koa dia vavaka raha atao miaraka amin'ny Tompo sy amim-pitiavana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...