Ny Konsily tao Konstantinopla II (553) dia nanamafy ny fanamelohana ireo hevi-diso teo aloha (mikasika ny Trinité Masina, ny Kristolozia), sady nampahatsiahy ireo famaritana nataon’ny Konsily tany aloha. Nohelohina ireo hevi-diso avy amin’i Origène, miaraka amin’ireo hevitra telo izay fantatry ny Nestorianisma. Tsy tratra ny tena tanjona hampihavana ny samy Mpino Kristianina satria nisy ireo tsy fitovian-kevitra (Roma, Afrika, Antiokia). Nohelohina ireo eveka teolojianina telolahy miankina amin’ny sekolin’i Antiokia: Théodore de Mopsueste (†428), Théodoret de Cyr († vers 466) et Ibas d’Édesse († 457).

Ny amin’ny sitrapo roa ao amin’i Kristy kosa no nohamafisin’ny Konsily tao Konstantinopla III (680-681), hanoherana ny monotelisma. Nambara àry fa Misy sitrapo roa ao amin’i Kristy, tahaka ny ananany natiora roa (dia ny maha-Andriamanitra sy maha-Olombelona), na dia olona iray sy tokana ary tsy mivaky aza Izy, dia Ilay Teny Tonga Nofo (tsy mifangaro ireo, tsy miovaova, ary tsy mivaky kanefa miavaka tsara). [Nous prêchons aussi en Lui (Christ) deux volontés naturelles ou volontés et deux opérations naturelles, sans division, sans commutation, sans séparation, sans confusion, selon l'enseignement des saints Pères]. Ny Konsily tao Nisea II (787) kosa no nitaky sy niaro ny maha ara-dalàna ny fampiasàna sy fanajàna ireo sary vita amin’ny hosi-doko (Ikôna) sy ny sarivongana, amin’ny fanompoam-pivavahana, araka ny fanaon’ny Fiangonana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...