Tsy natao hotompoina ny Razana fa mendrika ho hajaina kosa fa nampita sy niaro ny Aina ho an’ny taranaka rehetra aty aoriana. Zava-dehibe ny fanajàna ireo Nodimandry rehetra sy ireo Razana efa nialoha làlana any ankoatra.

Voaboasan’i Mompera Rahajarizafy Antoine de Padoue izany ao amin’ny Boky nosoratany : Filozofia Malagasy (pp.124-151), ary lazainy mazava ao fa ny hany ivavahana dia Andriananahary. Ny fivavahana kristianina kosa hoy izy no nahitan’ny Malagasy ny hazavana mibaliaka, nampatoky taneraka ny sainy sy nahafa-diana tanteraka ny fony. Koa rariny iska raha hanaja ireo efa nodimandry ary hahatsiaro azy manokana isan-taona ahay sy isaky ny alatsinainy. Nanome sy namela ohatra tsara ho tahafina izy ireo, fa nilofo nanao izay hampandroso ny ara-batana sy ara-pivelomana, niaina araka ny fo amam-pihavanana, nivelona ny ara-panahy sy ara-pahamarinana. Mifanerasera amintsika isan’andro àry arak’izany ireo rehetra efa lasa any ankoatra ary afaka mivavaka sy mitalaho ho antsika koa izy ireo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...