Adidy ifarimbonan’ny Lahika sy ny Pretra, izay samy eo ambany fiahian’ny Eveka, ny fitondrana ny Vahoakan’Andriamanitra isaky ny Paroasy sy ny Distrika, izay mivondrona ho Diosezy. Koa rariny sy hitsiny raha takina amin’ireo Pretra tompom-paritany sy ny Curé rehetra ny atao hoe fahaiza-mitondra ny Kristianina izay iadidiany na ankinina aminy, sy ny fahaiza-mitantana ny fananan’ny Fiangonana.

Noho izany, tsy mirindra ary tsy ara-dalàna rahatoa sanatria ataon’ny Lahika am-pihimamba ny fitantanana, fa tsy fanao izany ; ary tsy ekena sady mivaona tanteraka amin’ny lamina napetraky ny Fiangonana ny fanaovan’ny Curé na ny Pretra tompom-paritany ampihi-mamba ny fitondrana ny Vahoakan’Andriamanitra sy ny fitantanana ny fananam-pinagnonana, nefa tsy nandalo Filan-kevitra.

Izany indrindra no ilana ny Filan-kevitra Pastoraly sy ny Filan-kevitra Ekonomika na Filakevimpitantanana, izay natao hanampy ny Pretra tompon’andraikitra, ho enti-mitantana ny raharaha rehetra ara-drariny, ao anaty filaminana sy ny fahatoniana tanteraka, mba tsy hisy hanaonao foana koa sanatria ny andaniny sy ny ankilany.

Koa manoloana ny faharavàna na ny fampiatoana ireo Filan-kevitra ireo, noho ny antony maro samy hafa (aretina, fahafatesana, tsy filaminana na savorovoro) dia adidin’ny Filohan’ny Faritra sy ny APV rehetra eo am-perin’asa miaraka amin’ny Pretra tompom-paritany na ny Curé na ny Pretra solontenan’ny Diosezy, ny mangana haingana ny atao hoe "Fitantanana Kolejialy", arak’izay efa nandaminan’ny Diosezy misy azy avy, mifanaraka amin’ny Lalàna Kanonika ankapobeny na ny Droit Canon. Koa alao hery àry, ary samia miezaka hifandefitra sy hifanampy ary hifanohana, fa mpianakavy tokoa isika e!

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...