Ny finoana no loharano sy ivon’ny fiainan’ny kristianina. Valy ataon’ny olona amin’ny fitantanan’Andriamanitra ny fiainany ny finoana. I Masina Maria no mpino voalohany naneho izany. Manazava amintsika i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezin'Antananarivo: “Nanao ahoana ny niainan’i Masina Maria Virjiny ny finoana?”

0 : 00

“Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy” Lk 1, 45.

Ny finoana no loharano sy ivon’ny fiainan’ny kristianina. Valy ataon’ny olona amin’ny fitantanan’Andriamanitra ny fiainany ny finoana. Miverina in-243 ny hoe finoana “pistis” ao amin’ny N.T. Io isa io fotsiny dia efa manamafy fa sady loharano no ivom-piainan’ny Kristianina marina ny finoana. Raha ny filazan’ny taratasy ho an’ny Hebrio azy dia santatry ny zavatra antenaina ny finoana  ary porofon’ny zavatra tsy hita (cf. He 11, 1). Ary ny finoana no mamaritra ny fitondratenan’ny mpino. Raha ny filazan’i Pape François azy ao amin’ny encyclique Lumen Fidei n° 18 dia azo zaraina roa hoy izy ny famaritan’i Md Joany ny hoe mino: “croire à Jésus” sy ny hoe “croire en Jésus”. Amin’itsy voalohany dia hoy izy hoe “nous croyons à Jésus, quand nous acceptons sa Parole, son témoignage, parce qu’il est véridique cf. Jn 6, 30”. Ny faha-2 indray dia hoe “Nous croyons en Jésus, quand nous l’accueillons personnellement dans notre vie et nous nous remettons à lui, adhérant à lui dans l’amour et le suivant au long du chemin cf. Jn 2, 11; 6, 47; 12, 44)”. Raha atao amin’ny teny tokona dia hoe matoky ny zavatra ataony sy miombom-piainana aminy. Noho izany ary dia i Masina Maria no mpino voalohany, izy no modely ho an’ny mpino satria sady natoky an-janany izy (cf. Jn 2, 3. 5) no niombom-piainana tanteraka taminy. Manahoana ary i M. Maria manoloana ny finoana? Amin’izao lahadinika izao ary dia zavatra telo no andeha ho jerentsika:

  • Ny Fisehoan’ny finoana tao amin’i Masina Maria
  • Ny vokany teo amin’ny fiainany
  • I Masina Maria eo amin’ny fiainantsika

1. Ny fisehoan’ny finoana tao amin’ i Masina Maria.

Maro ireo azo hilazana fa nanampinoana lalina ny Renin’Andriamanitra. Ary mpino izy tamin’ny maha-tovovavy Jody azy. Nanaraka ny fomba sy ny lalàna jody izay niainana tamin’izany. Isan’ny hisehoan’izany ny fitandremany ny lalàna sy ny fanatanterahany azy antsakany sy andavany (cf. Lk 2, 27.39).

Nanaja ny lalàna jody i Masina Maria.

Hoy i Md Paoly ao amin’ny Gal 4, 4 “fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy teo ambanin’ny Lalàna”. Nanaraka ny lalàna rehetra tsy maintsy ataon’ny jody mpivavaka i Masina Maria ary nampanarahiny izany koa ny zanany.

  • Fidiovana ho an’ny olona tera-bao (cf. Lk 2, 22; Lv 12, 1-8)
  • Famorana ny zaza araka ny lalàn’i Moizy sy fanomezana anarana azy (cf. Jen 17, 12; Lv 12, 3; Lk 2, 21)
  • Ny fanolorana ny fanatitra (cf. Lk 2, 24 ; Lv 12, 8 tolotry ny mahantra io)
  • Nanantanteraka ny fivahiniana masina fanao isan-taona any Jerosalema araka ny fanaon’ny Jody mpivavaka voalaza ao amin’ny Dt 16, 16, ary fahazarana sy fanaony io. Na dia ny lehilahy aza no volaza fa tsy maintsy mamonjy io fivahiniana masina io dia tsy namela irery azy mianaka i Masina Maria fa niaraka tamin’izy ireo (cf. Lk 2, 41-42). Noho izany dia efa latsa-paka tao anatiny ny fifandraisana amin’Andriamanitra Ray.

Niaina ny finoana izy.

Ny olon’Andriamanitra dia miaky sy mino an’Andriamanitra izay miahy ny fiainany sy mitsinjo azy. Ohatra velona amin’ireny i Abrahama izay lazaina fa raiben’ny mpino. Ny finoan’i Abrahama no nitanana azy ho marina (cf. Jc 2, 23). Nasain’Andriamanitra nandao izay rehetra nahazatra azy mba ho any amin’ny tany tsy mbola hainy akory nefa natoky fa Andriamanitra no mitsinjo sy miahy ny fiainany (cf. Jen 12, 1-5). I Masina Maria dia nahatsapa toa an’i Abrahama fa notsinjovin’Andriamanitra izy ary novonjeny (cf. Lk 1, 47. 48). Ny hilazany ny tenany moa eto dia hoe “mpanompon’ny Tompo” (cf. Lk 1, 38.48) izany hoe anaram-boninahitra hitovizana amin’ireo andrarezin’ny finoana fahiny ka ny asehon’io dia ny finoana tao anatiny (cf. Lk 2, 45) sy ny fitiavany. Fa ny hoe “mpanompo” ihany koa dia entina hilazana ny kristianina ao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana (cf. Ac 2, 18; 4, 29; 16, 17).

Mbola kely i Jesoa dia efa naminany ny hanjo an’i Maria reniny i Simeona. Ilay lahitokany dia tsy maintsy ho sorona ho an’ny firenena (cf. Lk 2, 35; Jn 18, 14 tsara raha olona iray no maty ho an’ny firenena; Jn 19, 25). Io dia mitovy amin’i Abrahama ilay nahafoy ny tokany ho an’Andriamanitra noho ny finoana (cf. Jen 22).

Ny finoana dia tsy hoe mimbanjina fotsiny an’i Jesoa fa mimbanjina an’izao tontolo izao amin’ny fijerin’i Jesoa: mangoraka ny hafa fa tsy manao vain-drahalahy tsy marary. Nangoraka ireo mpivady vao lany divay i Masina Maria ka niteny an-janany mba hanao izay mety ho azy ireo. Vokany : tsara lavitra ary nanana amby ampy ny divay naroso (cf. Jn 2, 9-10). Sahala amin’i Jesoa nangoraka ireo olona maro tany an’efitra ka namahana mofo azy ireo (cf. Mt 14, 14-16).

Ny finoana kristianina dia finoana ny fahatongavana ho nofo sy ny fitsanganan-kovelona. Finoana an’Andriamanitra izay nanatona ny olona sy akaiky azy ary niditra ao amin’ny tantaran’ny olombelona. Rehefa nilazan’ny anjely i Masina Maria fa izy no nofidina ho renin’ny zanak’Andriamanitra ka ao aminy no ahatanterahan’ny fahatongavana ho nofo dia nanaiky izy noho ny finoany (cf. Lk 1, 38 “ inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”).

Efa nitady an’Andriamanitra am-pinoana lalina i Masina Maria alohan’ny naha renin’Andriamanitra azy satria dia mazava ny filazan’ny anjely fa nankasitrahan’Andriamanitra izy (cf. Lk 1, 30 “Aza matahotra ry Maria fa sitrak’Andriamanitra ianao”). Raha tsy manampinoana lalina izy dia tsy ho nisy akory io famangian’ny anjely sy filazana fa ankasitrahan’Andriamanitra izy satria hoy ny taratasy ho  an’ny Hebrio hoe “Raha tsy misy finoana dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra  dia tsy maintsy hino fa misy Izy sady mamaly soa izay mitady Azy” He 11, 6. Noho izany dia toy ny valim-pitia avy amin’Andriamanitra no nifidianana an’i Masina Maria ho renin’ilay zanany tokana, fankasitrahana azy (ny hoe kecaritwme,nh feno hasoavana dia midika ara-bakiteny hoe nahazo faveur tamin’Andriamanitra toi qui a la faveur de Dieu).

Rehefa misy olona mila vonjy amin’i Jesoa dia mazany noho ny finoan’ilay olona no ahatanterahan’izay iriny sy ilainy. Ohatra Mt 15, 28 : ilay vehivavy Kanahanita nilazan’i Jesoa fa aoka ho tanterka aminy arak’izay iriny noho ny finoany. Koa matoa tanteraka tao amin’i Masina Maria ny fahatongavana ho nofo izay nolazain’ny anjely azy dia satria nino izy “Sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy” Lk 1, 45.

Nahatoky sy tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Masina Maria.

Toy ny olombelona rehetra dia taitra ihany koa i Masina Maria nanoloana ny fanambaran’Andriamanitra.

  • Nisy korontana taminy “trouble” (cf. Lc 1, 29). Taitra izy saingy tsy nijanona teo fa nieritreritra izay mety ho heviny. Raha atao amin’ny teny hafa dia tsy nionona fotsiny teo fa niezaka ny nandalina izay zava-miseho. Finoana halalinina. Niezaka nanontany izany hoe finoana nitady fanazavana (cf. Lk 1, 35-36)
  • Nandia zava-tsarotra ny finoany satria sarotra tanterahina sy tsy araky ny mahazatra ity nolazaina taminy (cf. Lk 1, 34: tovovavy virjiny nefa hitoe-jaza). Zavatra mbola tsy nisy mihitsy ny toy izany. Ny efa fantany dia ny olona momba no nanana anaka (cf. 1Sam 1, 2.5.20 Anne sy i Sarah vadin’i Abrahama cf. Jen 17, 17; 18, 11-14). Izany hoe efa fantany noho ireo ohatra fantatry ny Jody rehetra ary inoany fa Andriamanitra no manome ny aina ka afaka manala ny sakana rehetra mety tsy ahatonga izany. Ary fantany ihany koa fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao (cf. Jen 18,14). Fa ity mahakasika azy kosa dia tena zava-baovao. Saingy rehefa nohazavain’ny anjely taminy dia azony fa ilay zanak’Andriamanitra haterany dia fanomezana lavorary indrindra avy amin’Andriamanitra ka tsy ny olona no mifidy na mitady izay mpamonjy ho azy ireo fa avy amin’Andriamanitra izany satria “tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao” (cf. Lk 1, 37).  Ny finoana ary no nanampy an’i M.Maria ahazo io zavatra sarotra io ka nahatonga azy hilaza hoe “inty aho ankizivavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao ” Lk 1, 38. Ary dia tanteraka tokoa izany ka nahatonga an’i Elizabeta hilaza fa sambatra i Masina Maria fa nino ka tanteraka ilay nompilazain’ny Tompo taminy (cf. Lk 1, 45). Ilay fitanenan’i Masina Maria hoe “aoka ho tanteraka amiko” izany dia fanehoana finoana lalina.
  • Nanomboka hatreo dia i Jesoa no “fototry ny finoan’i M.Maria”: Jesoa ilay Zanaky ny Avo, Zanak’i Davida, Mpanjakan’Israely, Zanak’Andriamanitra.
  • Na dia efa nolazaina taminy sy fantany aza izany dia mbola gaga izy nanoloana ny faminanian’i Simeona (cf. Lk 2, 33). Mbola tsy azony ihany koa ny tenin’i Jesoa tao an-tempoly (cf. Lk 2, 50) ka ny namakafaka sy ny nandinika izany no nataony (cf. Lk 2, 51). Noho izany dia manoloana ny mystery izay mbola tsy takatry ny sainy  dia ny mamakafaka sy mandinika ilay hafatra no ataon’ny Masina Maria (cf. Lk 1, 29;  2, 19.51). izany hoe finoana alalinina isan’andro fa tsy mihonona amin’izay efa misy. Ny olona mino ka mandalina izay inoany dia tsy mivadika na miala amin’iny na dia maro aza no hiataka (cf. Jn 6, 66-69).
  • Sady nandray no tsy nivadika tamin’Andriamanitra sy ny teniny na dia mety hanimba ny fifandraisan’izy sy Josefa fofombadiny aza izany (Mt 1, 19s). Satria teo ny finoana sy ny fahatokisana fa hain’Andriamanitra ilay nifidy azy tanatin’ny maro (cf. Lk 1, 28b) ny mandamina ny zavatra rehetra araky ny fandaharany.
    Raha ireo no jerena dia azo lazaina fa finoana manetritena izay miha-lalina hatrany manoloana ireo heverina fa sarotra azo sy manoloana ireo karazam-pitsapana ny finoan’i Masina Maria. Finoana tsy mivadika ary mitandrina ny tenin’Andriamanitra. Noho izany dia finoana mahasambatra (cf. Lk 11, 28 “Fa vao maika sambatra, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy”). Noho izany dia rariny loatra no hilazan’i Masina Maria ao amin’ny Lk 1, 48b hoe “fa indro hatramin’izao dia antsoin’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho”. Tena sambatra satria: nitondra an’i Jesoa tao an-kibony sy nampinono Azy (cf. Lk 11, 27) ary mbola sambatra ihany koa satria nandray ny tenin’Andriamanitra ka nitandrina azy (cf. Lk 11, 28).

2. Ny vokany teo amin’ny fiainany

  • Ny fananana an’i Jesoa miaraka amin’ny tena dia tsy midika fa hoe tsy hisy olana ny fiainana (cf. Mc 4, 35-40) fa ny andrasana amin’ny mpino dia ny fahatokisana sy ny finoana (cf. Mk 4, 40 “nahoana no sarotahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?). Raha oharina amin’i Md Piera izay vao noseranin’i tafiotra dia very finoana, izany hoe vao nandalo fitsapana dia very finoana; soa fa nahalala nisarangotra tamin’i Jesoa (cf. Mt 14, 22-32).
    Maro ireo fotoan-tsarotra nodiavin’i Masina Maria teo amin’ny fiainany. Hatramin’ny nahaterahan’i Jesoa (cf. Lk 2, 7 tsy nisy toerana ho azy teo amin’ny trano fandraisam-bahiny)  ka hatreo amin’ny kalvery (Jn 19, 25).
    Lk 2, 7: nahilika tsy ho ao an-trano “katalumà grande salle” izy ireo nefa dia nanaiky izy. Marika hisehoan’ny fanana finoana ny fahazakana fanilihana (cf. Lk 9, 51-56 voalaza fa tsy noraisin’ny samaritana i Jesoa sy ny mpianany izany hoe nahiliky ny samaritana.  Ireo mpianatra dia TSY MAHATANTY FANILIHANA, tsy mahatanty voahilika ka ny tonga tao an-tsainy dia ny hamaly faty (tsy maninona ve raha handatsahantsika varatra izy ireo : Lk 9, 54). Ny valitenin’i Jesoa: v.55 “Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo”.
    • Tsy mihevitra ny tena ho zavatra na vy fanga noho ny hafa
    • Mahatanty / Mahalefitra fanilihana sy fanalam-baraka.

Ny fanananao ireo toe-panahy ireo no mahatonga anao ho afaka hamonjy n’iza n’iza eny fa na dia ireo tsy miraharaha sy nanilika anao aza. Mahatonga anao ihany koa tsy hamaly ratsy na hitady izay havoa ny hafa.Toe-panahy izay tsy mifikitra amin’ny tena fa amin’Andriamanitra.

  • Raha misy manala baraka antsika ka mahatsiaro fa mbola maharary isika dia mifikitra amin’ny tenantsika isika fa tsy mbola mifikitra amin’Andriamanitra. Toy izany koa raha misy mandoka antsika ka mbola migoka izany → mifikitra amin’ny tena. I Masina Maria ary noho izy tsy nifikitra tamin’ny tenany fa nifikitra tanteraka tamin’Andriamanitra dia afaka nizaka ireo endri-panilihana isan-karazany (tao an-tranon’omby; ny fandosirana tany Ejypta; ny famonoana an-janany teo amin’ny hazo fijaliana).
  • Fanetran-tena: Hoy i Luther1 raha nandinika ny momba an’i Masina Maria: na i Masina Maria izay nadio tamin’ny fiterahany an-janany na i Jesoa izay Andriamanitra dia tsy ho nila ny fanadiovana voalaza ao amin’ny Lk 2, 22 fa noho ny fanetrentenany sy mba hanomezany ohatra amin’ny fanekena ny lalàn’Andriamanitra dia nankany amin’ny Tempoly izy niaraka tamin’i Jesoa sy i Josefa.  Araka ny efa hitantsika teo ambony dia nanomboka teo amin’ny annonciation na ny filazana dia i Jesoa no “objet de foi de Marie”: Jesoa ilay Zanaky ny Avo, Zanak’i Davida, Mpanjakan’Israely, Zanak’Andriamanitra. Noho izany dia nanaiky noho ny fanetrentenany ny hitovy amin’ny olon-drehetra izy (effacée) cf. Mc 3, 32-35; Lk 11, 27. Izany dia entina hilazana ny fanetrentenan’i Masina Maria. Izany hoe isan’ny toe-po tena tokon’ny hananan’ny mpino ny fanetran-tena. Nisy olomasina iray izay rehafa nanontaniana hoe inona no hatsaram-panahy voalohany indrindra dia hoy izy ny fanetran-tena. Naverina nanontaniana taminy in-telo io fa io ihany no nolazainy.
    Mb Thérèse n’i Jesoa Zazakely raha niresaka azy io dia hoy izy :
    « Ny fanetren-tena dia fahamasinana ary ny fahamasinana dia fanetren-tena ». Miainga amin’io volazan’i Mb Thérèse io dia izao no ambaran’ny Soratra Masina:
    Mt 5, 43-48: v. 48 aoka ho masina ianareo sahala amin’ny rainareo. Endrika hitovizana amin’ny fahamasian’ny Ray ny voalaza ao amin’ny v. 43-47. Fitiavana ny fahavalo (cf. Lk 10, 29-36). Avonavona avy ao am-pon’ny olombelona no mahatonga azy hanilika ny hafa tsy mitovy aminy sy ireo fahavalony. Noho izany dia ny fanetran-tena no isan’ny marika ahalalana fa mpino kristianina (cf. Masina Maria Lk 1, 48 fiambanian’ny mpanompovaviny. v.51 izay niavonavona dia nampiahahafiny. v.52 ny ambany kosa nasandrany). Raha io vavak’i M.Maria magnificat io no jerena dia hita taratra ihany koa ny fanetran-tenany.
  • Fanetren-tena : hatsaram-panahy ao anaty, miafina ary ao amin’ny olona izay te-ho kely, madinika
    Betsaka no milaza ny mikasika azy io ao anaty Soratra Masina.
    Lc 1, 52 : “Ny nametritena nasandrany”.
    Lc 10, 21 : “Misaotra anao aho Andriamanitra... nampiseho ny tsiambaratelonao amin’ny zaza madinika kosa‍.
    Lc 13, 24 : “ mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa  lazaiko marina aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy afaka”. Ny varavarana ety dia varavarana sady kely no iva noho izany dia mila miondrika sy manena tena ny olona miditra eo izany hoe mila manetritena sy mifehy tena. (jereo Mt 7, 13: varavarana ety)
    Varavarana izay ny mahantra, ny madinika, ny manetritena ihany no afaka miditra any satria “Raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra ny fanjakan’ny lanitra”. (Mt 18, 3)
    Zazakely = miankina amin’ny hafa, tsy mahavita tena, matoky ny rainy → matoky an’Andriamanitra. Araky ny efa hitantsika dia toertra nanan’i Masina Maria daholo ireo. Natoky an’Andriamanitra. I Md Paoly ary dia namporisika hanana fanetrentena (Ef 4, 1-2) satria “Andriamanitra dia manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ny manetry tena” (Jakoba 4, 6) ; “Manetre-tena eo anatrehan’Andriamanitra dia hanandratra anareo izy” (Jak 4, 10). Tanteraka tao amin’i Masina Maria io teny io (cf. Lk 1, 52b ny manetritena nasandrany).
  • Noho ny finoany dia an-tsitrapo no nanekeny ho renin’ilay Andriamanitra Tompony (cf. Lk 1, 26-38).
  • Modely ihany koa izy amin’ny fanabeazana ny zanany (ohatra velona cf. Lk 2, 41: ny finoana tao aminy no nampitainy. Comme toute famille, Marie transmet à son enfant le contenu de sa mémoire) ary noho izany dia nanaiky azy i Jesoa zanany (cf. Lk 2, 51). Elle a assumé sa responsabilté: elle est une éducatrice consciente de son autorité (cf. Lk 2, 48). Elle nous aide et nous enseigne à vivre de façon responsable.
  • Eo amin’ny fitsapana dia ny finoana no manilo antsika. Efa fantatr’i Masina Maria araka ny faminanian’i Simeona fa hijaly ny fony saingy sady nino izy no natoky fa tsy mandao azy Andriamanitra. Ny vavaka ihany koa izay nifandraisany tamin’Andriamanitra dia nanampy azy ahazaka fijaliana (cf. Jc 5, 13).
  • Tsy nitazona samirery  ny fahasoavana noraisiny i Masina Maria fa nizara izany tamin’ny hafa (Elizabeta) cf. Lk 1, 39. Tsy sakana ho azy ny halaviran-tany (eo ho eo amin’ny 156km eo) na dia vao tovovavy 15 taona aza izy tamin’izany. Ary nanampy ny hafa (cf. Lk 1, 56). Manosika antsika tsy hiolonolona amin’ny tena samirery ny fananana an’i Jesoa ao amintsika (cf. toa an’i Masina Maria). Noho izany dia modely ho antsika voafidy izy amin’ny fisokafana amin’ny hafa araky ny volazan’ni Md Joany hoe :
    Jn 15, 16: Tsy ianareo no nifidy Ahy  fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba andehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, ...
  • Tsy ianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo: nifidy <  eklegomai notsongaina tanatin’ny maro. Raha sendra misy olona misora-tena dia mazàna averin’i Jesoa (cf. Mk 5, 18).
  • Nanendry anareo: nanendry < tithemi (nommer et destiner). Maha-zava-dehibe ny nomination. Tendrena fa tsy manendry tena. Tsy maintsy antsoina ts.1.1 izay hamasinina satria zava-dehibe ny anarana : Mc 3, 16 : milaza an’i Simona hoe Piera ary hatreo dia Piera foana. Mc 14, 37 : tao Getsamania, Jesoa niverina niantso an’i Piera indray hoe « SIMONE » satria tsy mendrika ilay hoe Piera « tsy nitondra-tena arak’izay niantsoana azy izy » n.i dia nesorina taminy ilay anarana nomena azy. Rehefa notendrena ka tsy mitondra-tena arak’izay nanendrena dia esorina aminy izany; izay no mety mahatonga ireny hoe suspendu ireny.
  • Andehananareo :  hupago s’en aller. Misy heviny roa: misy deplacement amin’ny espace sy temps. Fa indrindra ny tiana ho tsindriana eto ihany koa dia ny hoe  mivoaka amin’ny tena. Misy fisokafana amin’ny hafa. Tsy nantsoina isika hiolonolona amin’ny tena samy irery. (zava-dehibe ny fifandraisana: isaka samy isika aloha ary ny fiandraisana amin’ny olona). Tsy voasariky ny egocentrisme sy egoisme fa mijery ny hafa. Io ilay ataon’i P. De Sales hoe mitatatra ho an-dRainilezafy. Mijery ny hafa raha te-hanana zavatra tsara).
  • Hahavokaranareo :  phero karpon mitondra vokatra: matoa isika notendrena dia mba hitondra vokatra ary tsy vita’ny hoe hitondra vokatra fa mba aharitra ny vokatra.

3. I Masina Maria eo amin’ny fiainatsika.

Miandalana dia nanana toerana lehibe teo amin’ny finoana sy ny fiainam-panahy kristianina i Masina Maria. Hatramin’ilay fahagagana voalohany tao Kanà (cf. Jn 2) dia tsapa fa nanana ny toerany teo amin’ny kristianina i Masina Maria. Ny fangataha nataony no naneken’i Jesoa hanao ilay fahagagana na dia mbola tsy tonga aza ny fotoanany. Ny ilaina amintsika dia ny hanana fifandraisana lalina aminy (familiarité) dia izy no mandamina ny rehetra avy eo. Raha miaraka amin’i Masina Maria dia tsy misy olana tsy ho voavaha.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...