"Ny faniriako dia ny ho pretra tia vavaka, manolo-tena sy manamasina ny vahoakan’Andriamanitra", hoy i Fr. Rasolomanana Mamory, iray tamin’ireo diakra 18 nohamasinina ho pretra ny 31 oktobra 2020, teto amin’ny Arsidioseizn’Antananarivo. Fito tamin’izy ireo no nanaiky hifampizara ny fanambiny aorian’ny fanamasinana pretra dia
ny fahamasinana, ny fanoloran-tena, ny fanetren-tena, ary ny fitantanana ny vahoakan’Andriamanitra. Fanehoam-piainana ny zoma 30 oktobra 2020, nataon’ny diakra diosezanina miisa 03 : Rasolomanana Mamory Régis, Ralaiarivelo Thierry, Ramarovahoaka Pierre Emile, sy diakra zezoita 04 : Randrianoelisoa Jean Rémi Eugène, Razafindraibe Angélo, Rajaoarivony Paul Eugène, Razafimahatratra Jeritiana,