Hatrany am-piandohana no noharian’Andriamanitra ho sambatra ny olombelona. Saingy ny fandriky satana no nahalavo ny olona ka nahavery ny hasambarany. Isan’ny voalohany indrindra amin’izany hasambarana izany ny fiombonany aina tamin’Andriamanitra.

Tapaka anefa izany noho ny ota. Mba handravonana izany dia nametraka lalàna Andriamanitra mba ho tandremana: ny didy folo. Taty aoriana dia nampianatra ny làlana ahitana ny hasambarana i Jesoa Kristy (cf. Mt 5, 1-12). Raha atao amin’ny teny tokana dia ny làlan’ny fahamarinana sy fahitsiana no ahazoana ny hasambarana. Ary ao amin’Andriamanitra izay tompon’izao rehetra izao no misy azy noho izany dia tokony hatoky azy tanteraka. 

Fandalinam-pinoana miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy , Arsidiosezin'Antananarivo.

0 : 00

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...