Nandray anjara lehibe tamin’ny fampivoarana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly teto Madagasikara ny Fikambanan’i Jesoa, tamin’ny taonjato faha-19. Anarana tsy azo adinoina amin’ireo misionera zezoita frantsay tamin’izany i P. Dalmond, P. Jouen, P. Cazet, P Finaz. Na dia teo aza ny olana nosedraina tamin’ny fifanoheran’ny anglisy sy frantsay, ny katolika sy ny protestanta izay fivavahan’ny mpitondra fanjakana tamin’izany, dia tsy nahasakana ny fitombon’ny kristianina katolika izany noho ny ezaka nataon’ireo misionera zezoita sy lasalianina.

Tsy niasa irery izy ireo fa notsilovan’ny Fanahy Masina. Fandaharana momba ny tantaran’ny Fiangonana katolika eto Madagasikara, iarahana amin’I P Abdon Rafidison, Recteur du théologat, Faliarivo-Antananarivo

0 : 00

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...