Lany fanindroany tamin’ny fifidianana manaraka teo ho recteur majeur i mompera Angel Fernandez Artime dimbin’i Don Bosco. Niangavy ny fikambanana salezianina maneran-tany izy mba hanao vavaka hasivin’ny andro tammin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina mba hiarovana an’izao tontolo izao tsy ho tratry ny areti-mandringana COVID-19 ny olombelona rehetra.

Noho izany, nisy ny vavaka niarahana tamin’ireo ankizy mpianatra avy ao amin’ny Oratorio Don Bosco Ivato ny alatsinainy 16 Martsa nandritra ny sivy andro. Araka ny fantatra moa dia mandringana tokoa ity valan’aretina ity eto amin’izao tontolo izao, ary mbola tsy nahitana fanafany hatramin’izao. Nandritra ny fotoam-bavaka izay notaritin’i Frère Fabrice SDB dia nandohalika avokoa ny rehetra teo anoloan’ny sarin’ny masin’i Maria, ho mariky ny fiankohofana sy fanetretenan’ny tsirairay, ary namerina ny vavaka nampianarin’i Don Bosco. Tahaka an’i Don Bosco, dia tokony hanana fahatonian-tsaina sy fahatokisana feno an’i masin’i Maria vonjin’ny kristianina.

Matokia azy isika ary mivavaha tsy tapaka amin’ny fanalalanany mba hiarovan’Andriamanitra sy hanampiany antsika amin’ity valan’aretina ity ary koa hankaherezany ireo marary ; handry amp-piadanana anie ny fanahin’ireo efa nodimandry rehetra. Masin’i Maria vonjin’ny kristianina mivavaha ho anay.

            Frera RAZAFIMANDIMBY Michel Fabrice, sdb

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...