Nifamotaona tany Lourdes ny fianakaviam-be salezianina tao amin'ny faritanin'i France sy Belgique atsimo (FRB) ny alatsinainy 28 ka hatramin'ny alakamisy 31 oktobra 2019. Fihaonana fanao isaky efa-taona, ka ny fankalazana ny faha-200 taona ny nahaterahan'i Don Bosco no nomarihana talohan'ny fihaonana farany teo.

"Manabe ao anatin'ny vanim-potoana nomerika": io no lohahevitra tamin'ity taona ity, izay maneho ny fifikirana amin'ny fanomezam-pahasoavana manokana salezianina sady fisokafana amin'ny zava-misy amin'ny vanim-potoana ankehitriny; "izay no nirian'i Don Bosco."

"Olona miisa 650 no tonga avy amin'ny vazantany rehetra, mba hihaona, hivavaka, hihira, hihaino, hifanakalo, hiaina sy hanovo aim-panahy ao amin'i Maria. Tanteraka ny faniriana! Fety izany! hasambarana izany!", hoy ny fitantaran'ny mpandray anjara iray "faly" niaina io fotoana niarahan'ny SDB, FMA,VDB, kaoperatera salezianina, ADB/ADBS, paroasianina, namana sy mpankafy, mpampianatra sy mpianatra...

Tamin'ny teny fandraisana no nanentanan'i P. Daniel Federspiel, lehiben'ny fikambanana, azy ireo mba "hatomboka eo amin'ny mpandray anjara rehetra aloha ny fifandraisana lalina", mandritra ny efatra andro hihaonan'ny fianakaviana. Fotoana nihaonana sy nifampizarana, niainana tao anatin'ny hetsika maro samihafa. Tsy faniriana te hitsidika an'i Lourdes no nifidianana ny toerana fa faniriana te hahafantatra miaraka amin'i "Bernadette ny hafatr"i Maria ao amin'ny fianakaviam-be salezianina". Lazaina ihany koa ity fihaonana ity hoe "fivahinianana masina" ao amin'ny toerana masina ao Lourdes, toerana fantan-daza eran'izao tontolo izao, efa falehan'ny olona maro.

Velan-kevitra voalohany: "Ny fanabeazana ara-pitiavana sy ara-pananahana ho an'ny tanora amin'ny vanim-potoana nomerika - toera-misy sy mari-drefi-panabeazana"

Famelabelaran-kevitra voalohany maneho ny zava-misy eo amin'izao tontolo izao, izay iainan'ny zanantsika sy ny tanorantsika ankehitriny " ao amin'ny tontolo nomerika", na ny marina kokoa "ao amin'ny tambazotram-piaraha-monina". Nanatanteraka ity famelabelaran-kevitra ity Atoa Jean Matos, mpanolo-tsaina sady mpampiofana momba ny etika ara-pitsaboana sy ny fanabeazana ara-pifandraisana sy ara-pananahana. Mpiara-miasa amin'i Mgr Pierre d'Ornella, Arsveka ao Rennes sady Filohan'ny asa an-tarika momba ny "Bioethique" ao amin'ny Fivondronam-ben'ny Eveka ao France.

Tamin'ny alalan'ny trai-kefam-piainana amin'ny maha-raim-pianakaviana sy fahalalana manokana no niresahan'Atoa Jean Matos, tsy amim-pihambahambana nefa koa amim-panajana, ny zava-mitranga ao amin'ny tontolo nomerika, izay mibahan-toerana amin'ny fiainan'ny tanorantsika ankehitriny ary "mampihen-danja ny hasin'ny ray aman-dreny izy io, indrindra fa ireo tsy mampiasa "internet"". "Mba hanatonana ireo tanora, dia tsy maintsy fantarina ireo izay mifanerasera aminy, hoy izy tamin'ny teny fampidirana. Ny mahalala sy mahafantatra izay zava-miseho dia hahafahantsika manitsy ny toera-misin'ny fampiharana sy ny fomba mifanentana amin'ny maha-sakan-jaza rehefa miresaka momba ny fananahana, tsy amin-tahotra nefa ihany koa tsy amim-pahatsorana loatra.

Mivavaka sy manovo aim-panahy miaraka amin'i Maria

Inona ary izany no tokony atao? Iray amin'ireo fanontaniana maro napetraka taminy io. Ary indrindra fa isika zanak'i Don Bosco izay mpanabe. Ny vahaolana avy hatrany nomen'Atoa Jean Matos dia ny hoe: "tsy mahatoky ireo olona manome raiki-pohy toy ny hoe:"tsy maintsy manao an'izao, tsy maintsy manome finday ny ankizy amin'izao taona...ary indrindra vao maika loza raha olana momba ny fanabeazana ara-pananahana.

Manoloana io gejan'ny tontolo nomerika izay tsy mahatonga ny saina ny sakan-jaza io indraindray dia manolotra "mari-drefy" Atoa Jean Matos - Nantitrateriny fa mari-drefy ihany io fa ny tokony ho toe-tsaina voalohany dia ny fahazoana ny tranga-panabeazana rehetra, indrindra ny tranga-pifandraisana miaraka amin'ny tanorantsika.: "manentana ny zanantsika hifandray amin'ny tenany", sy mampahatsiahy azy ireo fa "vatana sy fanahy" izy. " Ny vatana no fanehoana ny olona", iray amin'ireo soatoavina izay tokony hotsiahivina.

Etsy andanin'izany, tsy mari-drefy  tokony hataontsika, amin'ny maha-mpanabe, manoloana ny tanorantsika ihany no nomeny fa mifantoka amintsika iizy, "raha ray aman-dreny te hanabe ny zanany anatin'ny fandanjalanjana ny fanjifana ny tontolo nomerika isika, ny tokony ataontsika voalohany, dia ny miasa, mikaro-baovao, sy mipetraka amin'ny toerany (amin'ny maha-ray aman-dreny na mpanabe), tena maha-tsapa-tena, mahatakatra ; ary indrindra nantitrateriny mafy ny hoe - ny fikatsahana ny fahasambarana". Mikatsaka ny fahasambarana ny tanora, noho izany isika no mitari-dalana azy, mizotra miaraka amin'izy ireo.

Velan-kevitra faharoa: "manabe ao anatin'ny vanim-potoanan'ny tontolo nomerika, iraka tsy mety hotanteraka ve?"

Velan-kevitra notanterahin'Atoa Marc Vannesson izy io. Izy no tale jeneralin'ny Vers-la-haut, ivo-toerana fanangonan-kevitra natokana ho an'ny tanora sy ny fianakaviana ary ny fanabeazna amin'ny ankapobeny.

"Miofana mba hamakafaka,..."- Atoa. Marc Vanesson

Taorian'ny fandalinana lava ny fiovan'ny vanim-potoana iainantsika, no nisintonan'i Marc Vanesson hevitra, izay tamim-paharesen-dahatra no nillazany taminay hoe: "Tena resy lahatra aho fa ny fanabeazana, tetikasa-piaraha-monina mety ho an'ny rehetra sy mpanantena ny sarambaben'ny mpiray tanindrazana, no vahaolana tsara indrindra  azo iatrehana ireo olana eo amin'ny firenentsika, ary atao ivo ary raha hifantohana kokoa dia mety hahazoana indray mpitondra mavitrika. Tsy raharahan'ny manam-pahaizana manokana ny fanabeazna. Voakasik'izany daholo ny rehetra : mpanapa-kevi-bahoaka, mpikatroka mivantana, ray aman-dreny ary mba ho tonga mpanabe avokoa isika?

Ary aiza ny tontolo nomerika? nanolotr'i Marc Vannesson tamin'ny faran'ny famelabelaran-kevitra "ny tari-dalana miisa 10 hiatrehana ny tontolon'ny fanabeazana" : tsy mihafahafa, miofana mba hamakafaka, migaga, manolo-kevitra tsaratsara kokoa, fanabeazana feno, manaiky ny zavatra tsy ampoizina avy any ivelany, mianatra mifidy, mifady ( fanapahana fotoana fohy ny fifandraisana), ary ny fahafolo : ny fakan-tahaka.

Fanehoam-piainana : Fihaonana tamin'i Sœur Bernadette Moriau,

Ny  11 febroary 2018, no nanambarana ny fahasitranan'i Soeur Bernadette Moriau ho "tsy hay hazavaina amin'ny fahalalana siantifika ankehitriny". Noho izany dia nankatoavina am-pahibemaso ho fahaganana faha-70 tao Lourdes izy. Amim-pahatsorana, no nitantarany taminay ny fomba niainany ny aretina nandritra ny 40 taona, sy ny fangirifiriana izay efa tena efa tena niantehitra tamin'ny hafa. Tantara hafa tamin'ny fandalovany tao amin'ireo laboratoara taorian'ny fahasitranany: "Nangina nandritra ny 10 taona aho, mandra-piandry ireo manam-pahaizana siantifika sy ny Eglizy hankato io fahagagana".

Teo, naheno feo niteny tamiko aho: "Esory ny fitaovana eny aminao"-Sr Bernadette Moriau

Tamin'ny faran'ny fanehoam-piainana nataony, nampita hafatra mafonja i Bernadette Moriau "tsy misy fiainana, na dia ratsy toy inona aza, tsy ahomby. Ao anatin'ny fahasarotan'ny lalantsika indrindra no afaka mahagagana Andriamanitra.

Raha te hahafantatra misimisy kokoa momba ity tranga ity ianao dia azonao atao ny mijery izany amin'ny lahatsoratra amin'ny teny frantsay amin'ireto rohy ireto :

 

"Ma vie est un miracle": l’expérience de soeur Bernadette Moriau guérie à Lourdes"

Sœur Bernadette Moriau, la "miraculée" de Lourdes, raconte sa guérison

Fankalazana

Tonga tany Lourde  mba hijery ireo rahalahiny, namany ary ny fianakaviam-be  i Mgr Cristobal Lopez Roméro, sdb, Arseveka ao Rabat (Maroc), izay notendren'i Papa François ho kardinaly vao haingana. Tamin'ny fanamaranana ny fankalazana ny Eokaristia masina, no nanehoany tao anatin'ny antsakadiny ny lalana nizorany tao amin'ny fikambanana salezianina, tany Espagne, Bolivie, Maroc ary maha-Arsveka azy ao Rabat ankehitriny.

"Mamolavola antsika ihany koa ny fihaonana amin'ny hafa, ka tazonintsika ny maha-antsika antsika amin'izany"-Mgr Cristobal Lopez Roméro, sdb, Arseveka ao Rabat (Maroc)

Ny banga tamiko, hoy izy dia ny "fihaonana amin'ny hafa"." Amin'izao fivoaran'ny tontolo izao, ny fifanankalozana ara-kolontsaina, ny fihaonana amin'ny hafa dia mamolavola antsika ihany koa, ka tazonintsika ny maha-antsika antsika amin'izany", hoy izy namintina ny hafatra.

Ny rariny ho fampivoarana ny marefo

Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

Tohiny...

Sady mpanabe no mpitory Vaovao Mahafaly

Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

Tohiny...

Entanin'ny fanantenana isika

Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa  nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.

Tohiny...