Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 48, 17-19)

Enga anie ka hihaino ny teniko ianao.

Izao no lazain’ny Tompo Mpanavotra anao,
Ilay Masin’i Israely:
Izaho Tompo, Andriamanitrao,
mampianatra anao, mba hahitanao soa;
mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao Aho.
Enga anie ka hihaino ny teniko ianao,
dia ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao:
ho tahaka ny fasika ny taranakao;
ho tahaka ny vovo-pasika ny haloaky ny kibonao;
tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Izay manaraka Ahy, hanana ny fiainana.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota, na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalan’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy,
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony,
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy;
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 16-19)

Tsy nohenoin’izy ireo na i Joany na ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý?
Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja
izay miantso ny namany, ka manao hoe:
Nitsoka sodina taminareo izahay,
nefa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay,
nefa tsy nandòn-tratra ianareo.
Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro,
nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy.
Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro,
lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io,
sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina
mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra.
Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...