Sabotsy 6 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 9-15

Mampandinika antsika eto i Jesoa Kristy hoe : " Iza no tompon’ny fiainantsika ; Andriamanitra sa ny vola aman-karena". Miankina amin’ny tsirairay sy ny zava-misy tokoa mantsy ny mahatsara na maharatsy ny vola aman-karena. Kristy eto dia nahita an’ireo farisianina sasany tamin’izany fa tena manao ny vola ho Andriamanitra mihitsy. Hany ka manadino mihitsy ny fanompoana an’Andriamanitra satria jamban’ny vola eo amin’ny fiainana. Mety aretina hahazo antsika koa izany ankehitriny : atao izay hitadiavam-bola betsaka mba hampitomboana ireo harena, hany ka tsy misy intsony ny fotoana ho an’ny fianakaviana sy ho an’Andriamanitra. Ala-olana matetika ny hoe : sarotra ny fiainana ka lany amin’ny fitadiavana ny harena ety an-tany ny fotoana. Ekena ary tsy azo lavina fa ilaina ny vola eo amin’ny fiainana fa tsy tokony ho entina kosa anefa hanadinoana an’Izy Andriamanitra izay nanome antsika ny fiainana.

I Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra dia tsy mba nanana na inona na inona teto amin’ity fiainana ity, ary na dia Tompo aza izy dia nanetri-tena ho mpanompo. Nisafidy ny ho mahantra Izy mba hampianatra antsika toy izany eo am-panompoana an’Andriamanitra. Hoy i Masindahy Paoly izay mantsy hoe : "satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy tompontsika ; fa na dia mpanankarena aza Izy dia tonga nahantra noho ny aminareo mba hampanankarena anareo amin’ny fahantrany" 2 Kor 8, 9.

Angataho mandrakariva àry Izy Andriamanitra mba hanome antsika fahatokisana eo am-panompoana Azy amin’ireo zava-tsoa izay omeny antsika isan’andro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...