Talata 2 novambra 2021 — Fahatsiarovana ny mpino nodimandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6
Mahatsiaro ireo mpino nodimandry ny Eglizy anio. Anjarantsika sy adidintsika mpino mbola velona tokoa mantsy ny mivavaka ho an’ny fanahin’izy ireo.
Eto amin’ity Evanjely ity àry, dia hafatra fanaovam-belona no natao’i Kristy tamin’ireo mpianany izay nahatonga an’i Tomà hanadihady tsara an’izany : "Tsy fantatray izay alehanao Tompoko ? Koa ahoana no hahafantaranay ny lalana ?" Tsy namaly mivantana i Kristy fa nanambara ny Tenany : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana"
Tsy azon’ireo mpianatra anefa izany fanambarana izany, eny na dia isika kristianina ihany koa aza. Isika matetika dia tsy miaina ny fahamarinana amin’ny lalana mankany amin’ny tena fiainana. Ny fanoloran-tena sy ny fahafatesan’i Jesoa teo ambonin’ny Hazofijaliana no mamaritra ny lalana marina mankany amin’ny tena fiainana mba hahazoantsika ilay toerana efa nomanina ho antsika.
Ny finoana an’i Jesoa àry, dia finoana ihany koa ny nahafatesany sy ny nitsanganany ho velona. Mino fa mbola misy fiainana ao aorian’izao fiainana izao. Mino fa miandry sy mandray antsika any amin’ilay tena fiainana. Aoka ary tsy hampitebiteby na hampatahoatra antsika ny fahafatesana, fa tokony ho ny mifanohitra amin’izany àry, satria efa Izy Andriamanitra mihitsy no efa miandry antsika. Diavo dieny izao àry ny lalana makany any amin’ny fiainana mandrakizay, dia i Kristy izany. Izy no nampianatra antsika hifankatia ary izay ihany no lalana.
Enga anie mba handry am-piadanana noho ny famindram-pon’Andriamanitra ny fanahin’ireo kristianina efa maty. Amen.