Talata 27 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43

Manazava amin’ireo mpianany ny hevitra fonosin’ilay fanoharana mahakasika ilay ahi-dratsy i Jesoa Kristy eto. Hazavaina amin’izy ireo fa toerana iadian’ny zanaky ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny zanak’ilay ratsy ity tany onenantsika ity, koa mila miady amin’ilay ratsy isika mba ho afaka hiatrika ilay fitsarana farany. Tsara homarihina fa hisy fijinjana sy fanavahana io fitsarana farany lazaina eto io.

Mila mandray anjara amin’izany ady izany isika izao, satria miankina amin’io ady ataontsika ankehitriny io no ho anjara tandrify homen’Andriamanitra antsika amin’ny fitsarana farany. Sanatria tsy hampatahotra antsika akory no antony nilazan’i Jesoa an’izany, fa fampirisihana antsika ho masina tahaka an’Andriamanitra nahary antsika, izany hoe, manasa antsika i Jesoa mba hiha-zanaky ny fanjakan’Andriamanitra hatrany hatrany isika.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...