Alatsinainy 26 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 31-35
Manambara antsika ny fivoarana mahagagan’ny Fanjakan’ny lanitra ny fanoharana mahakasika an’ilay voatsinapy : kely izy eo am-piandohana fa tonga hazo lehibe kosa rehefa afaka fotoana vitsivitsy. Mananana hafatra lehibe ho antsika mpianatr’i Kristy sy mpanohy ny asany io fanoharana io : manome hery antsika hitraka sy tsy handevina sotrobe manoloana ny tsy fahitana soritra mazava avy hatrany ireo fampanantenana avy amin’ny Mesia eo amin’ny asa fitoriana. Mila resy lahatra isika fa tsy mitovy amintsika velively ny asan’Andriamanitra fa ny hakelezana sy ny halemena, zary mitondra fahombiazana sy hery satria amin’izany indrindra no iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ankoatra izany, manasa antsika mba hametraka ny fitokisantsika tanteraka amin’Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra, ity fanoharana ity. Mitaky ny tsy hitadiavantsika ireo karazana fanohanana amin’ny maha-olona irery ihany, izany fitokisantsika izany. Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no hampahomby ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly izay ataontsika.