Talata 20 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35

Miresaka mofo (na sakafo) ny Evanjely anio ary nampiasain’i Jesoa Kristy izany ho famantarana hilazany ny tenany. Mampahatsiahy antsika hevi-dalina vitsivitsy ny mofo koa andeha àry, hojerentsika izany :

Voalohany indrindra, mampahatsiahy ny fiainana andavanandro ny mofo na ny sakafo. Matetika hita eny ambony latabatra isan’andro izy. Amin’ny akapobeny dia vita amin’ny lafarinina, manambara amintsika ny fahatsorana sy maha zava-dehibe azy eo amin’ny fiainantsika ny fahafantarana an’izany taharo nanamboarana ny mofo izany. Koa raha io Mofo io àry no nofidian’i Jesoa hanoharana ny tenany, midika izany fa te ho eo amintsika manadrakariva izy ary te ho foto-tsakafo ho antsika eo amin’ny fiainantsika.

Manaraka izany, vokatry ny fisasarantsika isan’andro no nahazoana ny mofo na ny sakafo. Midika izany, fa tian’i Jesoa hambara fa mafy ny fiainana ary mila miasa raha toa ka tiantsika hihatsara ny fiainantsika, raha tiantsika handresy ny fitiavana manoloana ny fahafatesana ; izany hoe mila miasa raha tsy te ho faty noana eo.

Farany, tsy maintsy hohanina ny mofo fa tsy natao hobanjinina akory, ary nasehon’i Jesoa izany tamin’izy nahafoy ny tenany ho sakafo tamin’ny alakamisy masina. Mampahatsiahy antsika ny làlana nosoritan’Andriamanitra harahin’olombelona izany, izany hoe "natao hahafoy tena hatramin’ny farany isika, natao hamahana (ho mofo) sy hizara fitiavana ho an’ireo manodidina antsika, toy ny nataon’i Jesoa nifantsika teo ambonin’ny hazofijaliana".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...