Alarobia 10 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19

"Aza ataonareo fa tonga aho handrava ny lalàna na ny Mpaminany, tsy tonga handrava aho fa hanantanteraka aiza". Mazava amintsika tsara ny tenin’i Jesoa, fa tonga izy hanatanteraka ny Lalàna, tonga haneho amintsika ny tena heviny marina. Nambarany fa ny lalàn’ny fitiavana no mamintina ny lalàna rehetra ka ahafahana miditra amin’ny fahasambarana sy mitahiry azy. Tsy didy natao hangejana ny Didin’Andriamanitra fa didy natao hanafaka, hamelona sy hitahirizana ny fahasambarana vokatr’izany fahafahana izany. Mampianatra antsika i Jesoa fa ny lalàna dia natao hamelona ny olona, natao hikatsahana ny soa ho an’ny olona, fa tsy natao hanamelohana, na hamandrihana ny olona. Ny tena hevitry ny lalàna marina dia azo fitinina hoe ny fitiavana.

Koa ny lalàna nomen’Andriamanitra ho antsika dia lalàn’ny fitiavana. Izany no nahatonga an’i Jesoa niteny hoe tsy ampy fotsiny ny tsy mamono olona fa tsy tokony hitezitra azy akory, tsy ampy fotsiny ny hoe aza mijangajanga, fa tsy tokony hitsiriritra akory. Ka izay te ho mpianany dia tokony hiaina ny didim-pitiavana, sy hampianatra azy amin’ny hafa. Satria ny fiainana sy fampianarana ny hafa izany didy lehibe izany no hahatonga antsika ho lehibe koa ao aminy fanjakan’ny lanitra, no hananantsika anjara ihany koa any amin’ny fanjak’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...