Zoma 5 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46
Mamporisika antsika handinika ireo fihetsika na fomba amaliantsika an’ilay fitiavan’Andriamanitra antsika.
Lazain’io fanoharana io, izay mahakasika ireo mpiasa tanim-boaloboka mpamono olona, fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona. Mikatsaka ny soa hatrany io fitiavan’Andriamanitra antsika io : nanankinany andraikitra hikarakara ny tanim-boalobony ireo mpamboly. Fa matanjaka kosa ny fitiavan’Andriamanitra antsika satria tsy miverin-dàlana amin’ny fitiavana Izy. Dia nalefany tokoa ireo iraka hanatona an’iretsy mpamboly. Mbola tsapa ny fisian’io karazam-pitiavana nasehon’Andriamanitra io ankehitriny indrindra ho an’ireo izay marisika amin’ny fandraisana ny sakramentan’ny fampihavanana.
Indrisy anefa fa tsy mahay mamaly fitia an’Andriamanitra isika, vahoaka mafy hatoka ary mety mitovy sy sahala amin’iretsy mpamboly nivadika taminy mihitsy aza. Tsy te hihaino ny feony isika ary tsy te hampiditra Azy ao anatin’ny fo. Tsindraindray aza tsy avelatsika hanjaka amin’ny fiainantsika manontolo Izy fa faritra sasantsasany amintsika ihany. Andeha àry isika manomboka izao Karemy izao mba hahay mandray ny Tompo ao anatintsika ao ka mila aseho amin’alalan’ny atao sy ny lazaina avokoa moa izany.