Alarobia 08 janoary 2020 — Herinandro manaraka ny Epifania — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 45-52 — Hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo no nanirahan'Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo.

0 : 00

Misy trangam-piainana vaovao asehon'i Masindahy Marka eto, mba hanambarana ny fisehoan'i Kristy indrindra ny maha-izy azy. Efa fiainan'i Kristy ny manokana fotoana any an-tendrombohitra mba hivavahana, indrindra raha misy asa hataony na rehefa nahavita asa Izy. Izany dia isaorany an'Andriamanitra Ray amin'ny maha-Zanaka azy. Zava-dehibe amin'ny fiainan'i Kristy tokoa ny vavaka, manome ohatra ho antsika izy eto.

Ny fandehanany eny ambony ranomasina indray dia hisehoan'ny maha-Andriamanitra azy, tompon'ny hery, tompon'ny fahefana, afa-mandidy ny zava-boaary rehetra. Tsy hoe matotoa araka ny fiheveran'ny mpianany azy Izy, fa Andriamanitra miseho amin'ny toerana rehetra, miseho amin'ny heriny manontolo: "Matokia, fa Izaho ihany ka aza matahotra". Tsy voafetran'ny fotoana sy ny toerana ny fisehoan'i Kristy sy ny fisiany ary tsy voazakan'izay rivo-mahery ny fahefany.

Tsy takatry ny saintsika olombelona raha ny misterin'Andriamanitra, indrindra moa fa izany fahefana sy hery izany. Donto tokoa raha isika, kanefa ny finoana, izay herim-panahy avy amin'Andriamanitra omeny antsika, no fanalahidin'izany tsy fahatakarantsika ny misteriny izany. Koa raiso ary halalino io herim-panahy omen'Andriamanitra io mba halalantsika azy, hatakarantsika ireny karazam-pamantarana hanehoan'i Kristy ny maha-izy azy ireny eo amin'ny fiainantsika.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...