31 desambra 2020 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

0 : 00

Nambaran’i Masindahy Joany tamintsika teo fa tanteraka sy miharihary ary tonga hita maso ao amin’i Jesoa Kristy, Teny tonga nofo, ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra an’izao tontolo izao. I Jesoa Kristy Ilay Teny mandrakizay, nahariana izao rehetra izao ary fiainana sy fahazavan’ny olona. Amin’ny alalan’ny Zanany, ilay Teny tonga nofo tao an-kibon’i Maria, Andriamanitra no miantso ny olombelona hiala amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana, handray sy hiaina ireo fahasoavana, mampandray anjara antsika hoe ny toetra sy ny fomba maha Andriamanitra azy, hahamasina antsika toa Azy Andriamanitra. Miharihary indrindra izany amin’izao fankalazana ny Noely izao. Nanaiky ho tonga olombelona Andriamanitra, mba hitarika antsika olombelona ho amin’ny fiainam-baovao miaraka aminy. Meteza hanaraka Azy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...