Sabotsy 28 desambra 2019 — Ireo zaza tsy manan-tsiny — Evanjely masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-18 — "Midera anao izahay ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny Tafiky ny lanitra, ny martiry dia midera anao".

0 : 00

Mifanindran-dàlana amin'ny tantaran'i Moizy ny nahazo an'i Jesoa eto. Samy nentina nandostira tany Ejipta rehefa nisy ny famonoana ny zazalahy kely tamin'izany. Niainan'i Jesoa indray ny tantaran'ny vahoaka Jody. Saingy ny vahoaka Jody rehefa nandevozin'ny Ejipsiana dia nafahan'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Moizy ho any amin'ny tany nampanantenaina, nisy anefa fotoana nivadihany tamin'Andriamanitra ka nanompoany andriamani-kafa. Fa ho an'i Jesoa sy i Maria ary i Josefa, na be aza ireo zava-nanahirana dia natoky tanteraka an'Andriamanitra hatrany izy ireo ka nanaraka an-tsakany sy an-davany izay nolazain'ny Anjely.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...