Alatsinainy 07 septambra 2020 — Herinandro faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 6-11 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Ry kristianina havana ! Nanomboka tamin’ny herinandro ambony (herinandro tsotra faha-22 mandavan-taona) dia niditra tamin’ny fandinihana ny Evanjelin’i Masindahy Lioka ny fandinihana iainantsika isan’andro. I Masindahy Lioka tsy nanokana toko sy andininy lava maneho ny fampianaran’i Jesoa tahaka ny an’i Matio tany an-tendrombohitra fa eny an-tsefatsefany eny izy dia sady mampianatra no manaporofo ny fampianarany mitarika antsika. Soa fianatra ho antsika izany : sady miteny no manatanteraka fa tsy miteny fotsiny dia lasa mpitari-bato vilam-bava.
Raha nitantara ireo mpianatra nioty salohim-bary i Lioka teo alohan’ity Evanjely ity (rentsika tamin’ny sabotsy teo izany : Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao...) dia momba ilay maty tanana an’ila ity androany ity. Misongadina foana ny fihetsik’ireo jody sasany toa ny Farisianina sy ny namany mitsikilo foana ny fiainan’i Jesoa sy izay ataony. Fa maninona moa ny olona iray no tonga amin’izay sehatra fitsikilovana fiainan’olona izay ? Matoa isika tonga amin’izay sehatra izay any amin’ny fiaraha-monina misy antsika any dia misy antony ao ka samia mandini-tena. Maro manko no antony mahatonga izany : mety ho fialonana, mety ho avonavona, mety ho fanambonian-tena, mety ho tsy fanekena ho resin’ny hafa… hany ka mitsiry ao anatinao ny hevitra ratsy isan-karazany, ny fitsikerana na mety na tsy mety atao’ilay olona tsikilovina ; ary ny mazàna ny tsikera atao dia tsy tsikera hanasoa zavatra fa tsikera vao mainka manimba sady fanaratsiana. Aoka isika hitandrina amin’izany toetra ratsy izany.
Fanontaniana àry no asetrin’i Jesoa an’izany na manao ahoana na manao ahoana endriky ny fitsikilovana sy tsikera arahina fanaratsiana rehetra eo. Inona ny mety ny manao soa sa ny mamono na manao ratsy na sabata io na andro inona na andro inona ? Indraindray tokoa any amin’ny fiainana misy antsika any dia tsy hitantsika ny tena laharam-pahamehana hitsinjovana aina sy hamelomana aina fa ny lalàna be fahatany na ny zavatra hafa mifanohitra amin’izany no mahamaika, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra krizy izao. Aoka ho soa fianatra sy fitaratra ho antsika ny nataon’i Jesoa dia ny manao soa mandrakariva na andro inona na fotoana inona ; ary na inona sakana na inona fitsikerana dia tsy mihemotra an’izany fa mijoro an-kasahiana foana. Ny soa atao levenam-bola koa aza ketraka manao soa.