Sabotsy 05 septambra 2020 — Herinandro faha-22 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5 — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.
Mitohy ihany ny tsikera ataon’ireo farisianina sasany amin’i Jesoa Kristy. Eto dia mahakasika ny fiotazam-bary amin’ny andro sabata izay nataon’ireo mpianany no nanakianan’izy ireo azy.
Nazavain’i Jesoa tamin’izy ireo àry ny momba ny sabata, izay mifototra tao amin’ny Testamenta Taloha mahakasika an’i Davida Mpanjaka sy ireo mpanara-dia azy. Ambaran’i Jesoa amin’izany àry fa ny sabata dia nataon’Andriamanitra mba ho tombotsoan’ny olombelona : ny fakana aina sy ny fiderana an’Izy Andriamanitra ihany. Noho izany, dia ambony noho ny sabata ny maha olona. Fa ny fahafatarantsika an’izany atao hoe sabata izany dia tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny hoe fialana sasatra fa indrindra koa hoe fiderana an’Izy Andriamanitra. Ho an’i Jody mantsy, dia mba hialana sasatra amin’ny andro sabata dia mba hahafahana midera an’Andriamanitra irery ihany. Avela daholo ny asa aman-draharaha, hany ka ny hanina hohanina amin’ny andro sabata ary dia ahandroina mialoha io andro io. Ny fanaovana zavatra ankoatra izay dia midika ho tsy fitandremana ny andro sabata ho azy ireo, toy ny nataon’ireto mpianatr’i Jesoa ireto.
Navalin’i Jesoa àry fa "ny sabata dia natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no ho an’ny sabata" (Mk 2, 27). Ary namporisika mihitsy àry Izy fa ny sabata dia ny fanaovana soa fa tsy ratsy ary ny mamonjy aina fa tsy ny mamono (Mk 3, 4). Ka eto, ny fiotazam-bary izay nataon’ireo mpianany dia famonjena aina.
Ny zanak’olona tokoa no tompon’ny sabata satria Izy dia Andriamanitra, ka manome antsika ny fomba hiainana amin’izany ao anatin’ny toerana sy ny fotoana.