Alarobia 25 desambra 2019 — Ny nahaterahan'ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 15-20 — "Voninahitra anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra ary fiadanana anie ho an'ny olona etý ambonin'ny tany fa nanehoany ny hatsaram-pony."

0 : 00

Tanteraka sahady eto ilay tenin'i Kristy hoe: "Misaotra anao aho ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany noho Ianao nanafina izany tamin'ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin'ny zaza madinika kosa." Ny mpiandry ondry dia ireo olona tsy dia manao ahoana firy teo amin'ny fiaraha-monina jody: izy ireo no nampahafantarin'ny anjely fa teraka ao Betilehema ny Mpamonjy. Anisan'ny tandindona izy io fa i Jesoa Kristy dia tonga ho Mpiandry ondry tsara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...