Alakamisy 11 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.
Misy fomba fiteny izay hoe "ny an'ny tena ihany no hananan-doza", izany hoe, matetika ny olona mifankahazo, na ny mpinamana akaiky na mety ho fianakaviana ao an-trano aza no tonga mifandrafy, mifampihantsy. Ny hevitra indraindray no tsy mifankahazo dia hifampiandrasana kendry tohina etsy sy eroa. Fa hifamono ve, sa hifamelona ? Dia inona no tombon-tsoa azo amin'ny fifamonoana ? Izay indrindra no mahatonga an'i Jesoa nanitsy sy nanisy tsindrim-peo manokana ny didin'Andriamanitra fahadimy hoe : "Aza mamono olona", izay nambaran'ny Vaovao Mahafaly androany. Raha eo amin'ny fiainana andavanandro, dia efa iaraha-mahalala ny zava-miandry izay mpamono olona. An'Andriamanitra tokoa mantsy ny aina, koa rariny i Jesoa raha ho sarotiny sy mampahatsiahy antsika mianakavy.
Ry havana, tsy ny hoe mamorika olona, na ny manindrona antsy olona, na ny mifitra olona amin'ny basy na mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ihany no atao hoe mamono olona, fa mety hiseho amin'ny endrika marobe samihafa izany, na an-kolaka na mivantana. Ka noho izany dia atoron'i Jesoa androany, ny vahaolana mahomby dia ny fihavanana. Mety miseho amin'ny endriky ny fifamelana izany, satria izay to fo hono mpamosavy, hoy ny fitenenana. Mihavana faingana amin'izay manana ady aminao, hoy ny tenin'i Kristy, satria ny heloka hibabohana tokoa mody ho rariny, ary ny valifaty tsara indrindra dia ny famelan-keloka. Ary mpianakavy isika ka samy zanaky ny Ray. Jesoa ô, ampianaro izahay mba hiaina ny fitiavana tahaka Anao, tsy misy fihatsambelatsihy amin'ny manodidina anay. Amen.