Talata 12 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin'ny voninahiny.
Amin’ny fotoan’ny sakafo farany ny Alakamisy Masina, niarahany tamin’ny mpianany no anomezan’i Kristy ity fampanantenana ity : “Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo !”. Mampanantena sy manome fiadanana Izy manoloana ny tebiteby sy fikorotanan-tsaina teo anatrehan’ny fanambaràny ny famadihan’i Jodasy Azy, sy ny fandavan’i Piera Azy alohan’ny naneno akoho.
Tanterahan’i Jesoa tamin’ny fitsanganany ho velona izany fiadanana izany, tsy mba toy ny fiadanana fanomen’izao tontolo izao, fa fiadanana fandresena ny herin’ny maizina, fandresena ny fahafatesana, fiadanana mitondra fiombonana ao amin’Andriamanitra Ray.
Misintona ny sain’ireto Mpianatra i Jesoa hanandrana sahady ny fiadanana ao amin’ny Ray, hanandratra azy ireo ho ao amin’Ray. Ny fiadanana dia fianana tsy misy tebiteby, tsy misy fikorontanan-tsaina, tsy misy fahafatesana, ka moa ve tsy fiainana amin’Andriamanitra izany. Raha eto an-tany mantsy dia mbola misy ireo trangam-pianana ireo ka toa fiadanana sarintsariny ihany, izany no namafisin’i Kristy fa tsy toy ny tahaka ny fanomezan’izao tontolo izao ny fiadanana omeny, fa fiadanana mifototra ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra Ray.
Mifono mistery eo amin’ny fiainantsika olombelona anefa izany satria ny fiatrehan’i Kristy ny fahafatesany sy ny fitsanganan-kovelona no lala-tokana tsy maintsy hiatrehany an’izany ary ireto mpianany no tiany hahatsapa izany voalohany, mba hialany amin’ny tebiteby sy ny tahotra rehefa tonga izany fa mba hiainany ao anatin’ny hafaliana. Koa amin’ny izao fotoana mbola fankalazana ny nandresen’i Kristy ny fahafatesana izao àry dia mba alatsaho ao an-tsaintsika, hamafiso amin’ny finoantsika izany fiadanana avy amin’i Kristy izany mba hialantsika amin’izay mety ho karazan-tebiteby manjo antsika indrindra amin’izao vaninandro diavintsika izao.