Alakamisy 30 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona ; ary hiditra amin'ny voninahiny.
Amin’ny ankapobeny dia mihevitra isika kristianina fa ny finoana dia toy ny zavatra mandeha ho azy. Matoa isika miaina ao anaty finoana kristianina, dia ireo ray aman-dreny no nampita izany tamintsika. Ny finoantsika àry dia tsy tokony hijanona amin’ny fampitana fotsiny fa tokony hahatsapa ihany koa fa fanomezan’Andriamanitra ho antsika izy io. Hisaorantsika mandrakariva ary Izy Andriamanitra noho ny nanomezany antsika ny finoana.
Noho ny finoana àry no hitarihan’i Jesoa antsika ho any amin’ny Ray. Izy mantsy efa niteny hoe : "Izay mahita Ahy dia mahita ny Ray". Ny endrik’i Kristy no manambara antsika ny misterin’Ilay Andriamanitra Ray tsy hita maso. Tsy afaka ny hahalala ny Ray tokoa isika raha tsy mahalala an’Izy Jesoa. Iza tokoa moa no mahalala ny Ray ankaotra ny Zanaka ? Ny zanaka ihany mantsy no avy amin’ny Ray ary Izy Irery ihany no afaka manambara momba ny Ray. Manambara amintsika àry i Jesoa fa Izy no Mofon’ny fiainana, ho an’izay mihinana Azy, izany hoe mino Azy. Izy no mitondra antsika any amin’ny ilay fiainana mandrakizay.
Jesoa, ilay mofo nidina avy any an-danitra ary dia manome ny Tenany ho antsika ao amin’ny Eokaristia. Ary izay mandray Azy tokoa dia ho velona mandrakizay.